EDITO 3 Oktobra – Tetikasa Tanamasoandro – Tsy ampy fandalinana sy tsy voahevitra

Sôh’son

Adihevitra be ankehitriny ity resaka eny Ambohitrimanjaka sy ny tetikasa Tanamasoandro ity. Efa nambara teto amin’ny gazety tamin’ny herinandro lasa ny fahitana io tetikasa io fa izao vao misy manamafy ny fijerinay. Nambara teto tamin’izay fa tokony hanasoa sy hanatsara bebe kokoa ny fari-piainan’ireo mponina eny an-toerana ny tetikasa raha hopotehina hototofana ny tany fivelomany. Izany hoe tokony hanana fivelomana tsaratsara kokoa sy hampitombo bebe kokoa ny haren’izy ireo ny tetikasa kasaina hotanterahina eny. Toa adinodino anefa izany ary izay namariparitra ny fanadihadiana sy fandalinana ny amin’ny fifidianana iny faritr’Ambohitrimanjaka iny hanatanterahana azy dia tena tokony hanaovana fanadihadiana. Ny antony, manapotika fiainam-bahoaka.

Rehefa nohenoina ny fanazavan’ny mpilaza ho mpitondra tenin’ny fitondrana, dia hita mazava fa tena tsy ampy fandalinana ilay tetikasa, ary mampanahy fatratra ny fahasahin’ny fitondrana Rajoelina nanapa-kevitra hanatanteraka azy eny amin’iny faritra iny. Tsy ampy fandalinana satria hita fa tsy voajery mihitsy ny fiainan’ny mponina sy ny hoaviny, ny fambolena eny amin’iny faritra iny, ny maha-Betsimitatatra sy ny tantarany. Efa nandeha be ny adihevitra ary niakatra ny maripana amin’izany vao mody mandray fepetra ny fitondrana. Politika fampandrosoana tsy matotra izany ary mety hampitondra faisana ny vahoaka sy ny firenena.

Rehefa dinihina lalina ihany koa tao anatin’izay fotoana izay, dia hita fa tena misy ny fanaovana “kely tsy mba mamindro eto”, matoa tsy voajery ny tantsaha mpamboly. Toa zary lavitra ny fahendren’ny mpanjaka Andrianamponimerina, ny fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny izay mihevitra fa izy no tena mahay mitantana firenena. Tsy nahavita fianarana lavitra toa azy ireo io mpanjaka io kanefa nanana fahandrena lalina amin’ny fitsinjovana ny vahoakany, fa hoy izy “ny be manana ny azy, ary ny kely manana ny azy”. Fa ny ankehitriny, ny ananan’ny kely aza mbola tadiavina ikimpiana fotsiny izao ary hitsinjovana ny be. Ny be eto dia ireo mpanankarena mpanefoefo vitsy an’isa eto amin’ity firenena ity izay teratany sy vahiny. Tsy misy afaka handà, fa tsy hahazo toerana na dia iray dingana ao anatin’izany rehefa tontosa ny asa ireo mponina ireo. Fanilihana amin’ny fomba an-kolaka koa aza ilay raharaha amin’ny lafiny iray, fa rehefa tsy mahay mihary eo amin’ny tany onenany sisa amin’izay vola lazaina ho onitra omen’ny fitondrana eo ireo mponina mpamboly ireo dia tsy maintsy hiala sy hifindra monina ihany koa. Tsy ao anaty fandalinana ny tetikasa anefa ny amin’izay mba hihazonana ny mponina hijanona honina hatrany eo amin’ny tanànany izay. Tsy re izany ao anaty fanazavan-kevitra samihafa nataon’ny fitondrana hatreto.

Tranga iray azo itarafana tsara ny endrika marin’ity fitondrana ity izao toe-javatra kasaina hotanterahina eny Ambohitrimanjaka izao.