EDITO 1 Oktobra – Mbola an-tsirambina ny fanomezan-kasina ny zokiolona

Aris

Tsy mbola ampy ny fitsinjovana ireo zokiolona raha ny eto amintsika no resahina. Iray lehibe amin’izany ny amin’ny fandaminana ny fandraisan’izy ireo ny vola fisotroan-drononony isam-bolana, na ny isan-telovolana. Raiamandreny ireny, ary lafiny soatoavina maha Malagasy, dia fanàja azy ireny.

Tato anatin’ny taona maromaro farany, dia niaraha-nahita aloha ny fikorosofahan’ny fahalalam-pomba sy ny fanajàna olon-dehibe. Nifandraika tamin’ny lafiny politika teto no nahatonga izany. Ireo mpitondra nifandimby tao anatin’izany ihany koa, dia tsy nisy fiezahana ny hamerina ny hasin’izany soatoavina very izany, fa zavatra hafa no nahamaika azy sy nifotorany. Hany ka natao an-tsirambina ny momba ireo zokiolona. Iaraha-mahita izany eny amin’izay fandraisana fisotroan-dronono izay, eny amin’ny sehatry ny fitaterana, eny amin’ireo servisim-panjakana isan-karazany, eny amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena sy anivom-piarahamonina, sns…

Ny hita matetika, raha tsy ny fikambanana misy ireo zokiolona no manao hetsika samihafa, dia “taraiky” izy ireo. Tsy programan’asan’ny fitondrana mihitsy, ary tsy nahenoina feo ny amin’izany ny amin’izay mety ho ministera miandraikitra, ny fanatsarana ny sosialin’izy ireo. Ny eny amin’ny Cnaps, mety mitombo ny vola fandraisany, kanefa tsy mahavita ny fiainany firy izany. Iaraha-mahita rahateo ny fidangan’ny vidim-piainana, ny vidim-panafody sy ny halafon’ny fitsaboana eto amintsika ankehitriny. Nisy ny karatra maitso nataon’ny fitondrana tany aloha tany, nefa zary lasa tantara sisa izy ireny amin’izao fotoana izao. Tsy manana vahaolana ho amin’izany ihany koa ny fitondrana ankehitriny. Toy ny mitsipa-doha laka-nitana ihany ny taranaka ankehitriny raha tsy miezaka manatsara ny fitsinjovana azy ireo. Tsy mahavita ny andraikiny ihany koa ny ministera misahana ny kolontsaina raha tsy mahatafaverina ny hasina fanajana ny zokiolona.

Marihina, fa andro iraisam-pirenena hanamarihana ny andron’ny zokiolona ity andro talata 01 Oktobra ity.