Rina Randriamasinoro – Nanao fanambarana ho an’ny mponin’Antananarivo

Nangonin’Isambilo

2 volana mialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna, sy mpanolotsainan’ny kaominina eto amintsika, ny 27 novambra ho avy izao, misy ny fanambarana ho an’ny mponin’Antananarivo, avy amin’ny kandidà Rina Randriamasinoro N°02, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM):

Faly Miarahaba antsika indray.

Fanamby lehibe no iantsorohako nanaiky nilatsaka hofidiana, hitondra an’izany tanànan’ Antananarivo izany.

Tsy mora fa ny fiarahantsika mandray andraikitra no anisan’ny vahaolana hampandroso.

Ny tetik’ asa izay apetrako dia iarahantsika manantanteraka ary tsy misakana anareo hanome hevitra ihany koa. Malalaka ny adì-hevitra ary ataontsika mangarahara.

Efa mitsangana ihany koa ny Komity Mpanohana ny filatsahako ho ben’ ny Tanàna, ary antsoina isika rehetra izay vonona hiara-hiasa ary dia raisina antanan-droa ianareo.

Tiantsika Iarivo, Tiantsika Tana.
Tianao iarivo, Tianao Tana.
Tiako Iarivo , Tiako Tana.
Andraikitsika, Andraikitrao, andraikitro Antananarivo.

Manantena ny fiaraha-Miasa.

Ny Rina