MILA FANASITRANANA MAIKA

Marary ny sehatry ny fanabeazana.
(Vokatra ity mitotongana hatrany !)
Lazoin’ny aretina hafa karazana,
Fa ny mpitondra tsy taitran’izany.

Marary ny sehatry ny fampianarana.
(Ilàm-pandidiana ary maika dia maika !)
Raha mbola tsy izy no lohalaharana,
Dia olo-maro no hikaikaika.

Tsy vitsy ireo efa tsy mianatra intsony.
(Tsy fantatra hoe mba nankaiza izy ireny ?)
Tsy manan-kambara ny mpitondra ambony,
Kanefa mitombo ny mpirenireny.

Ho feno mpangalatra indray ny tanàna,
Raha toa ka izao no hitohy eto an-dasy.
Tsy manam-bahaolana ny fitondrana.
Vao mainka hihabado ny tanora gasy !

DADAN’i ZINA (27-9-19)