Bakalôrea 2019 – Mpiadina 174.751 – Sokajy A2 111.957 – Sokajy C 4.290 – Zokiny indrindra 88 taona – Zandriny indrindra 11 taona

Ho tanterahina manerana an’i Madagasikara manomboka alatsinainy 30 septambra izao ka hatramin’ny 4 oktobra 2019 ny fanadinam-panjakana bakalôrea ankapobeny sy bakalôrea teknika fihodinana voalohany.

Hitohy ny 7 oktobra ka hatramin’ny 10 oktobra 2019 kosa ny fihodinana faharoa ho an’ny bakalôrea teknika.

Miisa 174.751 ireo mpiadina manerana ny Nosy izay hitsinjara amin’ireo ivon-toeranam-panadinana miisa 299.

Miisa 13.200 ireo mpiadina misafidy ny sokajy A1, 111.957 ny sokajy A2, 4.290 ny sokajy C ary 35.606 ny sokajy D.

Miisa 9.698 ireo mpiadina hiatrika ny bakalôrea teknika.

11 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina, ary 88 taona kosa ny mpiadina zokiny indrindra.

Nihena ny isan’ireo mpiadina raha ampitahaina amin’ny antontan’isa tamin’ny taon-dasa noho ny tsy fahafahan’ireo ao amin’ny kilasy 1ère miadina intsony.

Aly