Rina Randriamasinoro – N°02 – Antananarivo – Mitombo hatrany ny komity mpanohana azy

Stefa

Mitombo hatrany ankehitriny ny komity mpanohana ny kandidà ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, Rina Randriamasinoro N°2 avy amin’ny antoko TIM. Ankoatra ireo komity mpanohana avy amin’ny antoko eny anivon’ny fokontany sy Boriboritany, tsy vitsy ankehitriny ireo fikambanana, na olon-tsotra manohana azy amin’ny fifidianana ny 7 novambra ho avy izao. Manohana tsy misy fepetra ny Kandida Ben’ny tanàna Rina RANDRIAMASINORO koa ny solombavambahoaka 6 mianadahy voafidy tamin’ny lokon’ny Tiako i Madagasikara (TIM), miadidy ny distrika enina mandrafitra an’Antananarivo renivohitra. Nambaran’izy ireo fa mahafeno ny fepetra hitantana amin’ny fomba mahitsy sy mahomby an’Antananarivo renivohitra ny traikefa sy ny fahalalana ananan’i Rina.

Raha tsiahivina dia efa nitana ny andraikitra stratejika 2 samihafa teo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), i Rina RANDRIAMASINORO. Anisan’ny nahatsapàna izany ny fahombiazany tamin’ ny naha Tale nisahana ny raharaha ara-bola na Directeur Financier azy. Nandritra ny fe-potoana nitantanany io sampandraharaha io no nampitombo hatramin’ny 50% ny tahan’ny fampidiran-ketra na “Taux de recouvrement fiscal” teto Antananarivo renivohitra. Ankoatra izay dia voaefa ny ampahany betsaka tamin’ny trosa izay nifandovàn’ny mpitantana ny tanàna teo aloha. Nihodina araka ny tokony ho izy ny fampandehanan-daharaha samihafa na dia tsy nisy aza ny famatsiambola avy amin’ny fitondram-panjakana foibe: tsy nisy olana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ary tanteraka araka ny tokony ho izy ny asa iantsorohan’ny kaominina.

Noho ny fahitan’ny Ben’ny Tanàna am-perinasa, Ramatoa Lalao RAVALOMANANA ny fahaiza-manao an’i Rina RANDRIAMASINORO dia notendreny ho Sekretera jeneralin’ny Kaominina izy nanomboka ny volana jona 2019. Maro ny fanovàna sy fanatsaràna ny asa sy ny fitantanana teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Teo ny famahana ny olana amin’ny fitohanan’ny fifamoivozana, ny fandaminana ny tsena, ny fanatsarana ny tolotra eny anivon’ireo sampandraharaha mikirakira ny antotan-taratasy samihafa eny amin’ny boriboritany. Ary anisan’ny lehibe indrindra ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka toy ny lalana mampifandray fokontany maro isaky ny boriboritany, ny lalankely any anaty tanàna ary ny fanadiovana ireo lakandrano fivarinan’ny rano. Teknisiana tanora manana ny traikefa sy fahaizamanao amin’ny fitantanana ny tanàna i Rina RANDRIAMASINORO.