MILA VONJY AMBOHITRIMANJAKA

Mitohy ny di-dohan-drafanjakana,
Ka indro misonga ny maripana.
Ny rano tampenana tsy hivoaka,
Ary dia miaka-pofona ny vahoaka.

Jereo, tena maina ny tanimbary.
(Mandom-baravarana ny mosary!)
Kanefa tsy rototra ny mpitondra,
Fa dia manamafy ny “lohan’ampondra”!

Tsy misy ny resaka ifampierana
Na hoe sombintsombim-pifanajana,
Fa hoe tetikasan’Ingahy Rajoelina,
Ka tsisy mahazo manelingelina !

… Tsy fantatra intsony izay hiafarana,
Fa kivy daholo ny iray tanàna.
Mandom-baravarana ity ny angano
Fa mihatra aman’aina ny fahirano !

DADAN’i ZINA (30-9-19)