CEPE sy BEPC – Tambin-karama 2018 – Voafitaka indray ny mpampianatra mpitsara fanadinana

Ny Valosoa

Tamin’ny fivoriana fanomanana, « réunion preliminaire », ny amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC dia nandefa olona ny minisitera hanatrika izany fivoriana izany, tamin’ny toerana maro, izay notarihan’ny chef de centre isaky ny toeram-panadinana.

Izao no ventin’ny teny nataony: “misaotra anareo mpanara-maso sy mpitsara ny amin’ny fahazotoana sy fahavitrihana ary dia mampanantena fa ho avy tsy ho ela, fa ho amin’ny herinandro ny tambin-karama tamin’ny 2018”.

Nivaly ny fanadinana CEPE sy BEPC, fa hatreto mbola tsy manarangarana ny fahazoana izany tambin-karama na vacation tamin’ny taon-dasa izany. Very fanahy ny mpampianatra maro fa hay dia tena famitahana fotsiny no natao azy ireo, mba hanakanana ny grevy raha sanatria nikasa hanao izany ireto mpitsara fanadinana sy mpanara-maso talohan’ny CEPE sy BEPC. Asa koa raha samy hafa ny hoe “tsy ho ela” amin’ny minisitera sy ny mpampianatra fa raha herintaona aza tsy voaloa ihany dia mampieritreritra.

Ary efa miverimberina isan-taona fa tsy vao izao akory izao tsy fandoavana ny vacation izao ara-potoana ho an’ny mpampianatra. Asa raha mila miofana “manao recyclage” koa ny tompon’andraikitry ny minisitera, na ny tompon’andraiki-panjakana rehetra,  fa izay indray moa ilay fomba fanebahana ny hafa ankehitriny rehefa hita fa misy ny zava-tsy mety, ka hampianarina ny hofanina hilaza vaovao marina sy azo antoka, ary tsy handiso
fanantenana ny hafa intsony ny sarim-pampiesonana sy famitahana fanaony.