Nodimandry ny filoha frantsay teo aloha Jacques Chirac

Nodimandry androany alakamisy 26 septambra 2019 i Jacques Chirac tao anaty ny faha-86 taonany, filohampirenena frantsay ny taona 1995 ka hatramin’ny 2007, praiministra, ministra, ben’ny tanànan’i Paris.

Efa tamin’ny taona 2005 ny tenany no efa nisy olana ara-pahasalamana (AVC), ary efa tany amin’ny volana novambra 2014 no nahitàna azy farany am-pomba ofisialy.

Tamin’ny fandalovana teto Madagasikara ny volana jolay 2005, Jacques Chirac no filoha frantsay voalohany nanambara tamim-pomba ofisialy fa tsy azo tsinontsiniavina ny tantara. Mifamahofaho eo amin’ny tantara hoy izy ny mifandrafy sy ny mifampihavana. Tsy midika ho fanadino anefa ho koa izy. Fa rehefa teo am-pisakafoanana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana kosa izy dia nanampy fa tsy azo ekena ny famoretana nitranga nandritra ny fanjanahantany, ary tsy misy afaka mamafa ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny 1947. Ary hoy kosa ny filoha Marc Ravalomanana: “Teraka tamin’ny 1949 aho fa tsy tamin’ny 1947. Tsy fanadino ny lasa fa izaho kosa dia mitsinjo ireo dimby sy faran’ny firenena ao aoriana”. Tsara ny fifandraisana, “manga ny lanitra”, hoy izy.

Maniry azy hiandry am-piadanana.

Ny Valosoa