Ambohitrimanjaka – Kendain’ny fitondrana ny mpamboly – Tohanany ny rano tsy hiditra

Sady be marenina ny fitondrana no mampiseho sandry eny Ambohitrimanjaka. Kendaina ny tantsaha, tohanana ny rano tsy hihazo ny tanimbary efa voaketsa, tsy hahafahan’izy ireo manohy ny asany eny an-tanimbary.

Natao hanasoa ny fiainan’ny vahoaka ny mpitondra sy ny fanjakana fa tsy hamono azy. Mahagaga anefa ny fihetsiky ataon’ny fitondrana ankehitriny amin’ity fikirizana hanototra ny tanimbary fiveloman’ny vahoaka maro eo Ambohitrimanjaka. Fahaleovantena ara-tsakafo tsy hiankin-doha any ivelany ary tsy hanafatra vary avy any ivelany intsony no nodradradradraina nandritra ny fampielezan-kevitra, saingy fanotofana tanimbarim-bahoaka no atao rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Amin’izao mantsy notohanana ny rano amin’ny tanimbary efa voaketsa.

Manamafy ny antso avo efa natao an-taratasy i Vonjy Rakotondramanana, solontenam-pokonolona Ambohitrimanjaka, manasa ny olon-drehetra indrindra Ambohidrapeto, Fiombonana, Ankadimanga, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Anosimanjaka, Apirika sy ny kaominina manodidina, na mpamboly na tsia, na mpiompy na tsia, na antitra na tanora, ho avy ny sabotsy 28 septambra araka ny toerana sy ora efa voasoratra amin’ny taratasy [ndlr, tsy eto ampelantanan’ny mpanoratra amin’izao fotoana hanoratana izao] izao hifanohana ary hampiseho firaisan-kina manoloana ny tetikasan’ny filohan’ny repoblika hanototra ny tanimbary 1000 ha sy hanafoana antom-pivelomana tantsaha aman’alina.

Be tokoa no voadona tsy nanampo fa hihatra aminy tahaka izao izany tetikasa Tana-Masoandro izany satria tsy nasiana fifampiresahana sy fifampidinihana. Izao vao tonga saina ireo iharan’izany ka velon-taraina sy latsa-dranomaso fa very sy tapi-dalan-kaleha, tsy mahalala izay ho afitsoky ny ampitso.

Mihenjana ny raharaha eo anivon’ny vahoaka sy ny fitondrana. Misy ireo mikaikaika voadonan’izao fanohanana ny rano tsy hiditra tanimbary izao, misy koa ireo mahatsapa sahady ny loza hihatra amin’ny fiainany noho ny fitotofana. Ny fitondrana etsy ankilany dia manohy ny mokon-dohany ho an’ny tombontsoan’ireo mpandraharaha miaraka amin’ireo izay voatariny amin’ity raharaha mamoa-fady ity.

Dia ho hita eo aloha amin’ny sabotsy izao ny fizotran’ny tantara.

Nangonin’i Lanzelo