CS-FOP – Mandidy ny ministra Lalatiana hamerina ireo mpiasa noroahany

Ny Valosoa

Mivoaka amin’izao fotoana ny fanapahana avy amin’ny CS-FOP na ny filankevitra ambony ho an’ny mpiasam-panjakana. Araka izany didy fanapahana izany, nahazo rariny teo anatrehan’ny CS-FOP: Conseil Supérieur de la Fonction Publique, ireo mpiasa noroahina tao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, taorian’ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena voalohany notanterahin’ny ministera teny amin’ny hopitalin’i Mahitsy, Ambohidratrimo, tamin’ny sabotsy fahatelo tamin’ny volana martsa 2019.

Mpiasa miisa 16 no noroahan’ny ministra Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany satria nambara fa tsy nanao ny Tagnamaro fa nandeha nisotro taoka fotsiny. Araka ny efa nazavain’ireo mpiasa ombieny ombieny anefa, efa vita ny asa tamin’izay fotoana izay, ka naka aina sy niala hetaheta izy ireo tamin’io fotoana io, no nolazain’ny mpiara-miasa tamin-dRamatoa ministra fa nandeha “nisotro”. Izy tenany ministra mihitsy moa tamin’izay fotoana izay no nijery ireo mpiasa tao amin’ilay toeram-pivarotana.

Nivoaka ny fanapahana manery ny ministera hanafoana ny naoty mandroaka ireo mpiasa ireo, ka hamerina azy ireo amin’ny asany.