Tamy Ragôva – Averin-dRajoelina amin’ny fanjanahana ny firenena

Filohan’ny repoblika, vendrana! Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), vongany! Ary ny amin’ny Fiarovampirenena, vono … toy ny anaovana ny mpanao gazety!… Tonga amin’ilay fiteny fandre hoe “3V”, saingy tsy dika mitovy.

Mampalahelo ny mandre olompirenena fatra-panaja ny fiandrianampirenena tonga amin’ny filazàna tahaka izany. Kanefa tsy azo omena tsiny izy satria tsy vao indray mandeha ny filoha ankehitriny no manitsakitsaka ny Lalampanorenana, ary tsy vao indray mandeha koa ny HCC no manome rariny ity “filohany”.

Eto dia mbola miverina indray izany amin’ny fanendrena Ragôva eo anivon’ny faritany 11 nandritra ny filankevitry ny ministra ny 18 septambra 2019, dia mbola mikaroka akama 11 hafa,… na 12 mihitsy àry hono. Singanina amin’ireo i Hery Be, rehefa tsy lany ho filohan’ny federasiona baolina kitra ilay akama dia izao tendrena ho Ragôvan’ny faritra Analamanga izao.

Diso toetrandro Rajoelina. Ny tenany moa dia miseho ho toy ny andro faha-mpanjaka rehefa misy lanona izay, hany ka nahazo ny anarana hoe “Tena Gasy Vendrana Voalohany” na “Cancre Premier”. Moa ity fanendrena governora ity toa mamerina antsika any amin’ny andron’ny fanjanahantany.

Mazava anefa ny Lalampanorenana ao amin’ny andininy faha-154 fa filoham-paritany na “chef de région” no anarana omena ny tomponandraikitra. Saingy ny an’i Vendrana dia averina amin’ny endriny fanjanahana ny fitondràna amin’ny alalan’ny anarana hoe Ragôva.

Maizina ny vodilanitra raha ny fitantanam-pirenena no jerena. Mitohy ny gaboraraka sy ny akamakama. Etsy ankilany ho an’ny maro an’isa, tanimbary voajary totofana, vidin’entana tsy voafehy, ny lafiny fanabeazana dia ireny vokapanadinana BEPC misy sekoly misy aotra ireny ny ankizy tafita. Mijanona fikatsahana tombontsoan’olombitsy ny afitsok’ity fitondrana ity fa fampiesonana amin’ny velirano no betsaka. Ny mipàka izao dia izao amin’ny fiainany no tadiavin’ny vahoaka fa tsy politikan’ny “3V”.

Lanzelo

Ireto izy Ragôva 11 aloha:
Alaotra Mangoro – Ramandehamanana Richard
Analamanga – Rasoamaromaka Herilalaniaina
Androy – Soja Tsimandilatse Lahimaro
Anosy – Hatrefindrazana Jerry
Atsimo andrefana – Tovondrainy Andriantsitohaina Ranëlson Edaily
Atsimo atsinanana – Mahafaky Justin
Itasy – Andriamanana Solofonirina Herizo
Matsiatra ambony – Razafindrakoto Lova Narivelo
Menabe – Randriantsoa Mong Wai Tune Serge Lucky
Sava – Tokely Justin
Sofia – Lylyson René de Rolland Urbain