Ivon’ny faha-70 taonan’ny mpamonjy voina – Niara-nientanana nanadio an’Analakely sy ny manodidina ny mpiasan’ny CUA

Helisoa

Ho fanamarihana ny ivon’ny fankalazàna ny faha 70 taona ny sampana mpamonjy voinan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), izay hatomboka ny alatsinainy ho avy izao dia nisy ny fiaraha–nientan’ ny mpiasa teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra nanao asa fanadiovana faobe, niainga teo Ambohijatovo nankeny Antaninarenina, Ambodifilao, nifarana teny Soarano omaly maraina. Niara-nisalahy tamin’izany ny sampana mpamonjy voina, ny ekipa mpanadio eny amin’ny boriboritany isanisany , ireo sampandraharaha teknika misahana ny fanadiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nitarika ny asa fanadiovana tamin’izany ny sekretera jeneralin’ny kaominina Randriamasinoro Rina, ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina ny kolonely Ramanoara Francky ary ireo delegen’ny boriboritany eto Antananarivo Renivohitra. Nanambara ny kolonely Francky Ramanoara fa mandray anjara mavitrika amin’ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna ny sampana mpamonjy voina, na dia famonjena voina aza no asa sahaniny ary io tsy hoe foronina maimaika fa asa fanao mandavataona.

Ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay nisolotena ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, Rina Randriamasinoro kosa dia nanambara fa ny mpamonjy voina dia sampana iray eo anivon’ny tanànan’Antananarivo, ka rariny ny CUA raha miara-mientana aminy manao asa fanadiovana amin’izao fankalazàna ny faha 70 taonany izao. Ka na asa efa fanao andavanandro aza ny asa, ny fanadiovana tanàna dia miezaka foana isika hoy izy hanatsara ny fomba fiasa bebe kokoa. Eto izahay dia manentana hatrany ny mponina mba hanaja ny fahadiovana satria rehefa tsy mandoto ianao dia efa naman’ny manadio. Miantso ihany koa ny fanjakàna foibe sy ny SAMVA mba hanala ny fako eny amin’ny daban-jaoridira ho eny Andralanitra, satria ny CUA dia efa manao ny andraikitra sahaniny amin’ny fitondrana ireny fako ireny mankao amin’ny toerana tokony hisy azy, hoy hatrany ity tompon’andraikitra iray ao amin’ny fiadidiana ny tanàna ity.

Misy ny paikady vaovao isorohana ny voina sy ny loza.

Tafiditra ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Vondrona Mpamonjy Voina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny androany [23 septambra], izay notanterahana teo amin’ny Parvis Analakely. Amin’ny maha Reny mpiahy ity Vondrona mpamonjy voina ity ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia namome toro-marika sady nankahery ny mpamonjy voina ny Ben’ny Tanàna ary nankasitraka ny ezaka nataon’izy ireo. « Fitsipika, Fandavan-tena, Herimpo », io no teny filamatry ny mpamonjy voina nofidiana amin’izao fankalazana ny faha 70 taonany izao ary « Mpamonjy Voina sy ny vahoaka miara-mientana amin’ny fisorohana sy fanalefahana ary fiatrehana ny loza no teny filamatra ».

Nanao antso avo amin’ny vahoaka koa ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana handray andraikitra feno hanaraka antsakany sy andavany ny toro-hevitra sy ny toromarika rehetra omena mikasika ny fisorohana ny loza. Efa misy rahateo ny paikady vaovao iarahan’ny rehetra hisorohana ny loza satria nitombo ny haintrano etsy sy eroa tato ho ato. Ankoatra ny tsodrano dia notoloran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), nosoloantenan’ny Sekretera Jeneraly, Rina Randriamasinoro , moto mitsorika misy fitaovana entina mamonjy voina haingana ny vondron’ny mpamonjy voina ary mbola hahazo avokoa ny Boriboritany enina rehetra. Natomboka tamin’ny famelabelaran-kevitra ny fankalazana , narahana adihevitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Nivotra ny olana sedrain’ny mpamonjy voina , toy ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiasa izay 150 monja, toraka izay koa ny fitaovana ampiasaina. Manampy trotraka ny fahateren’ny lalana hamonjena ny traboina , ny fahanteran’ny fitaovana eo ampelan-tanana ,sns… Narahana fitsidihana tranoheva ny fotoana ary nisy ny fampisehoana (Démonstration) notanterahana tetsy amin’ny Parvis Analakely. Marihana fa tamin’ny taona 1949 volana Janoary no niforonan’ny vondrona mpamonjy voina Antananarivo.