ALEFA RINA ALEFA RINA

Alefa Rina, alefa Rina,
Miandry anao ny renivohitra.
Tena haneho firaisankina
Hanampy anao ireo mpanohitra.

Mitsangàna mahereza
Ry tanora nofinidy.
Izy ity tsy ady seza,
Koa dia raiso re ny adidy.

Diso kajy iretsy ankilany,
Dadabe no mba natolony.
Hita ny fivaralilany,
Ka ho maina hatreo ny molony.

Tsy ny antitra efa goga,
Fa tanora no ilaina.
K’aza mihaino ny hogahogan’
Olona tsy dia misaina.

Miantso anao hanohy ny vina
Sy fanamby ny vahoaka.
Alefa Rina, alefa Rina
Fa isika tsy mitsoaka.

DADAN’i RIANA