Tana-Masoandro, Ambohitrimanjaka Tsy sahy mankeny Rajoelina

Andry Tsiavalona

Tsy misy mahalala izay tena voarakitra ao amin’ilay « IEM » (Initiative Emergence Madagascar) moa ny ankamaroan’ny Malagasy, fa dia miroso amin’ny “Vina 13” indray izao ny fitondrana Rajoelina Andry Nirina. Ny isa « 13 » dia ilay laharany tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Mananontanina indray ny fifidianana dia mihetsiketsika ny filohan’ny Repoblika, ka manenjika ny fanombohan’ny tetikasa lazainy fa azy na dia misy sasany amin’izy ireny aza no efa tamin’ny fitondrana HVM. Nandritra ny herinandro maromaro dia tsy nahatombina teto amin’ny Firenena Rajoelina Andry Nirina, fa nivezivezy tany ivelany.

Amin’izao fotoana dia manomboka mitety faritra sy toerana misy ireo tetikasa lazaina fa hampandroso ny Firenena sy hisy vokatsoa ho an’ny Malagasy izy. Efa azo rahateo koa ny « tsodrano » avy any amin’ny Papa, Filohan’ny Eglizy Katolika, na dia betsaka aza ireo teboka manaratsy endrika ny mpitondra ary tsy maintsy hanaovana ezaka manokana ny hanafoanana izany : kolikoly, fahantrana, fampihavanam-pirenena,… ary etsy ankilany ny nanafaran’ny Papa Fransoà ny tsy maintsy hanaovana ny fampihavanana sy ny tsy hisian’ny fanilikilihana izay fototra tsy azo ihodivirana raha hikatsaka fampandrosoana fampandrosoana marina.

Niroso tamin’ny fiatrehana ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny « lakandranon’i Pangalane » tany Toamasina ny filohan’ny Repoblika, izay tetikasa efa tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no namolavolana izany. Tsy misy afaka mandà fa hitondra fivoarana any amin’ny toerana rehetra andalovan’ity lakandrano mirefy 600 km ity ny tetikasa. Azon-dRajoelina Andry Nirina antoka tsara fa ho tafavoaka tsara ny vokatra amin’ny alàlan’ny fitaterana tsy misy olana ny tantsaha rehefa tontosa soa aman-tsara ny asa fanamboarana. Tsy hisy sahy hanohitra ny fanatanterahana ny asa satria tena hisy tokoa ny tombontsoa ho an’ny rehetra, ka sahy nanokatra ny asa ny filohan’ny Repoblika.

Tsy toy izany kosa ny zava-niseho tetsy Ambohitrimanjaka. Tonga teny an-toerana ny manampahefana ao amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany niaraka tamin’ny sinoa nijery ny fomba hanatanterahana ny tetikasa « Tana-masoandro ». Iaraha- mahalala fa mafy tokoa ny fanoheran’ny tantsaha mpamokatra ny hanotorana ny tanimbary sy tanimboly mirefy 1.000 Ha hanorenana trano fonenana. Mitombina tokoa ny fanoherana satria dradraina fa tsy mahaleotena ara-tsakafo ny vahoaka Malagasy kanefa tsy hiteraka vary akory ny trano fa hiteraka vola ho an’izay orinasa manatanteraka ny fanorenana ary tsy hanana hanin-kohanina intsony izay manana tanimbary voatototra. Hitombo indray izany ny mahantra hanampy isa ireo izay efa miaina an’izany, fa hitombo ny eny ambony latabatr’ireo izay hisitraka ny hofantrano hiditra aminy. Marina koa izay voalazan’ireo mponina eny Ambohitrimanjaka fa misy tampon-tanety miahaka fotsiny manodidina ny Renivohitra, toy ny eny Soamandrakizay, ka nahoana no ny tany fambolena no totofana. Naninona no tsy sahy nankeny niaraka tamin’ny minisitra sy ireo sinoa Rajoelina Andry Nirina satria natahotra ny hogahogain’ny olona. Misy amin’ireo mpanohana izao fitondrana izao sahy milaza fa ho hisy tombotsoa hoan’ny vahoaka tokoa rehefa vita ny asa.

Tany tsy misy voly na iray dia aza no nokasain’ny fitondrana Ravalomanana Marc nampanofaina tamin’ny orin’asa koreana Daewoo hambolena izay sady niteraka asa ho an’ny tanora no niteraka fampandrosoana ara-toekarena ho an’ny Firenena, no nandranitan-dRajoelina Andry Nirina ny gasy niara-nanongam-panjakana taminy ny taona 2009. Omena ny sinoa anefa amin’ity tetikasa ity ny tany famokaran’ny tantsaha ka asa raha hitarika fanonganam-panjakana koa ny hanohanana mananontanona sy ny alahelo noho ny fangoronan’ny henjana ny tany. Tsy asian’ny mpitondra sira ny fanoherana ataon’ny vahoaka ka tsy fantatra izay mety ho fiantraikany. Mafy lavitra noho ny misy eny Ambohitrimanjaka ny fanoheran’ny mponina any Toliara ilay fitrandrahana ataon’ny orinasa «Base Toliara» satria ny tontolo iainana sy ny tontolon’ny fahasalaman’ny mponina mihitsy no ho potika raha hiroso ity orinasa ity. Vola be koa mantsy no hiditra amin’ny fitondrana raha homena alàlana hitrandraka ny orinasa.

Tena mihaino ny vahoaka marina tokoa izao fitondrana izao saingy toy ny solosaina hampidirana izay tiana hampidirina rehetra fa tsy misy tehirizina (sauvegarder) izany, ka tsy misy hita intsony avy eo. “Ny vola tokoa no fototry ny ratsy rehetra”, ka tsy misy dikany amin’ny mpitondra izay hanjo ny vahoaka feheziny. Hibaliaka ny masoandro ho an’ny mpitondra, fa ho takon-drahona mainty kosa ny an’ny Malagasy izay ho tandindonin’ny tsy fahampian-tsakafo no tsy ho afaka hialokaloka ao amin’ny trano “manara-penitra”.