HO ANAO RY OLONA INY …

Rehefa injay nahazo seza sy toera-metimety,
Dia anaovana antsojay ny namana mpanao gazety?
Nefa ianao ilay mpanaratsy sady tena mpanabanty,
Kanjo fe ankehitriny, hay ianao tsy mahatanty?

Izany ve no mba mpiantsehatra ao anaty serasera,
Nefa dia tsy mahazaka irony kiana sy tsikera?
Ontsa anao ry olona iny ireto namana, sakaiza,
Noho ny toetran-tanalahy ‘zay tsy hitondra anao mankaiza!

Izany olon-tserasera atao hoe “mendrika ny anarany”,
Dia tsy mpiovaova zotra, fa mahitsy hatramin’ny farany.
Tsy mba ny olona tsy marina ka raha vao mahazo felaka,
Dia ho mpila ranondranony sy manjary mpisolelaka .

Ka ho anao ry olona iny, mbola misy ny fotoana
Hahafahanao miova tsy ho “olonolom-poana”.
Miverena, miverena, lalan-tsara no tohizo,
F’aza ny mpanao gazety no ampidirina amin’ny kizo.

DADAN’i RIANA