Ben’ny tanàna TIM sivy namadika – Nampiakarin’ny antoko eny amin’ny fitsaràna

Ben’ny tanàna sivy voafidy tao anaty antoko TIM avy ao amin’ny distrika Arivonimamo no niakatra fampanoavana tamin’ny zoma 20 septambra lasa teo teny amin’ny fitsaràna manokana misahana ny raharam-panjakana.

Andro vitsivity taorian’ny fametrahana taratasy filantsahan-ko fidianana ho ben’ny tanàna dia tsikaritra fa nalaky be ny fanendrana ireto kandidà sivy avy ao amin’ny distrika Arivonimamo natolotry ny antoko TIM. Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita aloha fa tsy nanaraka ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko ny fanendrena azy ireo, fa ambonin’izany dia vaky fa voavidin’ny ankilany.

Nandray fepetra ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny DISTIM Arivonimamo manoloana ireto mpikambana mpamadika ireto. Nifampitaona teny amin’ny lapan’ny fitsaràna Anosy ny depiote sy ny mpikambana hanatrika ny fitsaràna ny raharaha.

Nilaza ho tsy mahefa mitsara an’ity raharaha ity anefa ny fitsaràna manokana misahana ny raharaham-panjakana ka nanipy ny baolina eny amin’ny CENI.

Dia ho hita eo indray izay ho lazain’ity “vaomiera mahaleo tena” ity!

Vaovao MBS – https://bit.ly/2mvpN88