Fiainam-pirenena sy politika – Miseho lany ny aretina Alzheimer eto amintsika

Nadia (MBS) Razafilahy (Tsioka Vao) Didier (Tale Radio Fahazavàna) Lalatiana (Free FM) Rocco, filoha sindikà mpanao gazety

Ny Valosoa

Ny volana Septambra dia natokana ho iray volana iadiana amin’ny aretina Alzheimer, na aretina fahaverezan’ny fitadidiana. Ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody dia mamporisika amin’ny famakiana boky sy gazety ary manentana koa handray anjara amin’ny kilalao an-tsoratra mba ho fikolokoloana ny fitadidiana. Ny Alzheimer raha tsorina dia fatiarika manjo ireo efa nahazoazo taona, azo tsaboina sy azo sorohina io aretina io kanefa ilana fahamalinana.

Ny olana eto amintsika, tsy ireo efa nahazoazo taona no manahirana, fa misy ireo mbola tsy very saina no toa mitelina voamanadino, ka tsy mahatsiaro ny hoe: Iza no efa namoa-doza teto amin’ity firenena ity? Toa zary adino ireo mpandoro tanàna, ireo nandroba fananan’olona, ireo mpanani-dapa niteraka fatiolona, ireo fisamboran’olona tsy marim-pototra, toa adino ireo mpanongam-panjakana tarihan’i Andry Rajoelina, izay nanimba firenena tamin’ny taona 2009 ary mbola mitohy hatramin’izao, sns… Ao amin’ny soratra masina dia ahitana toy izao: tsy misy jamba noho ireo minia manakimpy ny masony ary tsy misy marenina mihoatra ireo manentsina ny sofiny. Maro izy ireo nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’izao, misy amin’izy ireo no manana andraikitra eto amin’ny firenena, koa azonao an-tsaina avy hatrany fa miezaka mafy hampanadino ny vahoaka ny tena zava-nisy marina teto amin’ny firenena izy ireny.

Mbola zava-doza noho ny aretina Alezheimer ny fiantraikan’ny ataon’ireo minia mamafa ny ratsy vitan’izy ireo teto amin’ity tanindrazantsika ity. Soa fa mbola maro ny vahoaka Malagasy no nitelina voamahatsiahy, tsy matiarika akory fa miandry fotoana hamoahana ny marina nokendrena ho totofana, zava-dehibe ny famporisihana ataon’ny Madagascar Alzheimer hamaky boky sy gazety, indrindra fa raha samy hamaky ihany dia aleo ireo gazety nitantara ny hagaigen’ireo mpanimba firenena no tokony ho vakian’ny olompirenena tsy ahavery tadidy azy.