Raharaha helikôptera – Mpanao gazety 3: Ampakatra ny raharaha hatramin’ny fara-tampony

Helisoa

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Karibotel Analakely omaly ny mpisolovava ny mpanao gazety 3 dia Nadia Raonimanalina, Rahelisoa Arphine ary Mahery Rabearivony mikasika ny resaka Angidimby teo Mahamasina, izay nitorian’ny tafika Malagasy, fa hoe nanely vaovao tsy marina ireto farany. Tsy afapo tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana ny mpisolovava, ka nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ambony ary mbola hampakatra hatramin’ny fara-tampon’ny fitsarana misy eto amintsika momba ity raharaha ity.

Nambaran’i Me RATEFIMAHEFAMIJORO Eloi, izay misolovava ireo mpanao gazety, fa tsy manaraka ny lalàna ny dingana ara-pitsarana narahana, nanomboka tamin’ny fiantsoana sy fanaovana fanadihadiana ireo olona arovany. Anisan’izany ny tsy nahitana mazava ny anarana sy ny andraikitra ary ny anton’ny fiantsoana. Tsy mazava ihany koa ny mikasika ny fehezan-dalàna nampiharina tamin’ny famoahana ny didim-pitsarana, izay manameloka an’i Nadia RAONIMANALINA sy Mahery RABEARIVONY, izay samy mpanao gazety. Fanamelohana hanefa lamandy 10 tapitrisa ariary miampy 1 ariary onitra nangatahan’ny mpitory sy fahafahana noho ny fisalasalana ny an’i RAHELISOA Arphine.

Mahavariana ny mpanara-baovao ny tetibidin’ilay lamandy, izay mampifamototra fehezandalàna karazany roa. Andaniny ny lalàna 2016-029, mifehy ny asa fanaovan-gazety, na “code de la communication médiatisée”, izay mihàtra amin’ny raharaha fitoriana mpanao gazety ao anaty fanatanterahana ny asany toy izao. Voasoratra ao amin’ny andininy faha 28, 30 sy 31 ireo karazana lamandy izay tsy misy mihoatra ny 6 tapitrisa ariary. Ankilany, raha ny lalana 2016-031 mifehy ny « cybercriminalité », ao amin’ny andininy vaovao faha 20 no nanapahana ny didim-pitsarana dia mitombina ny fidangan’ilay lamandy. Raha izay anefa dia tsy tokony amin’ny maha mpanao gazety no nanenjehana azy telo mianadahy ireo, fa toy ny olon-tsotra rehetra manana fahafahana mikirakira ny tambazotran-tserasera.

Manameloka tanteraka ny fanambarana mampihetry ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Gérard RAKOTONIRINA sy ny depiote sady mpanao gazety Fidèle Razarapiera. Lasa mandalo fotoantarotra ny asa fanaovangazety, raha mitohy izao fomba hamonoana ny fahalalahana eto Madagasikara izao.

Tatitra an-tsary teo Anosy

Fanazavàna – Me Ratefimahefamijoro – Depiote Fildèle Razara Pierre – Filohan’ny OJM Gérard Rakotonirina – Vaovao MBS – https://bit.ly/2l5ioMp