Ambohitrimanjaka – Building tsy misy vary, tsy atakalo tanimbary

Helisoa

Mitady hikiry ihany ny fitondràna tarihin’ny filoha Andry Rajoelina, hanao ny tetik’asa Tanamasoandro eny amin’ny tanimbarin’Ambohitrimpanjaka, izay mirefy 1000 ha.

Manoloana izany, miaka-peo ny mponina fa tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarin’izy ireo satria ny 90 % ny vahoaka ao Ambotrimanjaka dia mivelona amin’ny tanimbary ao an-toerana. Ao ny fambolena vary izay tena mampalaza an’Ambohitrimanjaka; ary efa ao anatin’ny famafazana ketsa izy ireo amin’izao. Eo ny biriky izay mamelona tokantrano maro ary ny trondro nampiavaka ny tao an-toerana izay efa lasa fomba fiteny hoe “hafa ihany ny trondron’Ambotrimanjaka”.

Nanambara ireto farany fa na hihàtra hatramin’ny famoizana ny ainy aza dia handà hatramin’ny farany ny tetik’asa izay ataon’ny fitondrana ao an-toerana izy ireo. Mbola maro ny tany azo ahetry hanaovana io tetik’asa io fa tsy ny tanimbary indray no ho totofana. Ny bulding tsy misy vary hoy izy ireo tsy atakalo tanimbary. Dradrain’izao fitondrana izao tokoa fa tokony hampitomboina ny voka-bary, ka tsy amin’ny fanotofana tanimbary mihitsy no hahatanteraka izany.