Mpanao gazety: misy karamaina hanaratsy na hamotika olona fotsiny

Andry Tsiavalona

Hafa mihitsy ny mpanao gazety (journalistes) eto amin’ity Firenena malagasy ity raha oharina amin’ny any ivelany. Raha ny marina ary tokony ho nampianarina ny mpianatra ho mpanao gazety dia tsy mirona amina firehana politika, fa manoratra ny tranga rehetra hitany ary tsy miaina amin’ny fihetsehampo sady mahay mandanjalanja tsara izay soratany miainga amin’ny porofo mivaingana sy marim-pototra fa tsy manao tombatmbana ety ivelany. Tsy moralista na miseho ho mahay na mahalala ny herin-tsaina na herim-batan’ny olona resahiny, ka hanery azy amin’izay tokony hataony na làlana tokony hizorany.

Hita taorian’ny nahafantarana ireo kandidàn’ny antoko roa matanjaka hifanandrina amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna fa misy mpanao gazety tena karamaina mihitsy angamba, tsy hanoratra ankoatry ny fanaratsiana kandidà iray ary hanatsara sy hanasongadina ny ankilany mpifaninana amin’itsy voalohany. Tsy amin’ny gazety ihany no hahitana izany fa any amin’ny tambazotran-tserasera (fb) ihany koa. Iaraha-mahalala ireo antoko roa ireo fa ny TIM sy ny IRD.

Tany am-boalohany dia nosafidian’ny Rodoben’ny Mpanohitra (RMDM) ho kandidà ny filoha Ravalomanana Marc. Nanolotra azy koa ny parlemantera TIM. Nanomboka teo dia efa nanomboka ny fanenjehana an-dRavalomanana Marc, ka naely fa tsy olona efa nahazo taona (troisième âge) no hahavita zavatra eto sady efa mpanolotsaina manokanan’ny ben’ny tanàna kanefa tsy nahavita na inona na inona no tena novoizina. Notanisaina ny fako misavovona sy ny gaboraraka manjaka eto amin’ny tanàna. Raha mpanao gazety matihanina anefa dia tsy maintsy mahafantatra izay tena tomponandraikitra sy fototra nahatonga ireo toe-javatra ireo. Tsy ilaina ny mitanisa izany fa ny olompirenena, mpanao gazety tsy jamban’ny tampimaso haraviravy azy dia afaka mamantatra izany.

Mbola tsy nanana ny kandidàny ny IRD tamin’izay fotoana izay, ka rehefa akaiky ny fetrandro tsy maintsy hanendrena izay ho kandidà dia nanolotra ny azy izy hay olona efa nahazo taona koa no natolony sady minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny. Tsy nasian’ny mpanao gazety sy mpiserasera amin’ny tambazotra sosialy indray ny resaka taona fa voizina indray ny maha “andriana” (prince) sy maha mpandraharaha ary ny fahafantaran’ity kandidà ity an’Antananarivo.

Raha hanao fampitahana ihany dia tokony hahafantatra ny mapanao gazety “matihanina” fa efa ben’ny tanàna teto Iarivo ary anisan’ny mpandraharaha efa ela teto koa Ravalomanana Marc sady orinasa lehibe misandrahaka any amin’ny faritra maro sy mampiasa olona an’arivony talohan’ny fanonganana azy ny taona 2009, ka tsy maintsy itodihana ny lasa mba tsy hitongilanana sy handisoana ny tantara.

Azo lazaina fa tratry ny tsy nampoizina (contre pied) ihany ny mpitondra satria tanora vao erotrerony no natolotry ny filoha Ravalomanana. Marina fa tsy nampoizin’ny rehetra izany safidy izany, ka na ny mpikambana ao amin’ny TIM aza dia nanana ny heviny ary nisy nanakiana mihitsy aza. Novoizin’ny mpanao gazety ihany koa izany toe-draharaha izany, ka nilazan’izy ireo fa misavoritaka ny antokon-dRavalomanana Marc. Tanora no nofinidy kanefa mbola hita ihany ny hanakianana azy na dia ny akanjo anaovany entiny mihazakazaka aza izay zavatra mirefarefa amin’ny tany.

Raha ny fantatra dia niravona izany savorovoro izany satria samy misaina sy mandinika ary mahay mandanjalanja ny olona afaka manao izany. Heverina fa ny olona miezaka manaraka ny fiainana ara-politika dia tsy olona manohana an-jambany na manakiana be fahatany fa miezaka manakatra ny politika avo lenta ary tsy ho jamban’ny mena miraviravy. Ny fahendrena Malagasy dia mampianatra, ka miezaka ny mpiserasera hivohy ny “na amboako na amboan’olona, rehefa vandana dia kary”.