AMBOHITRIMANJAKA SY NY TANAMASOANDRO

Meteza hijoro ry Ambohitrimanjaka.
(Ry mpanao biriky, ry mpamboly vary!)
Ka ‘ndeha hotoherina tsy hahazo laka
‘Lay paika hanotofana “tany voajary”.

Ny vary ny antsika no foto-tsakafo.
(Manao bemarenina ny fitondrana ).
Ny vidin’ny vary efa lafo dia lafo,
Ka ‘ndeha hotoherina ilay fikasana.

Ny “tanamasoandron-dry zareo mpandrava”,
Tsy mety amintsika fa mety hahavalaka.
Isika efa zatra diavola-mazava,
K’aleo izy hitady tanety malalaka.

Izay “be no basy” ry Ambohitrimanjaka.
Voleo vary hatrany ny tanin’ny razana.
Isika vahoaka no tompon’ny laka,
Aza mety ho voavidy ka hisara-bazana!

DADAN’i ZINA (18-9-19)