EDITO 14 Septambra – Mila mailo amin’ny politika manodoka famitahana vahoakan’ny mpitondra

Sôh’son

Manao politikan’ny famitahana saim-bahoaka amin’ny seho ivelany hatrany ny antoko Ird. Politikan’ny seho ivelany tsy mitondra mankaiza fa mandrorona fotsiny ny fampandrosoam-pirenena. Efa fanaon’ny fitondrana Rajoelina hatrany amin’ny tetezamita io ary mbola tohizany mandraka ity ny androany. Niaraha-naheno tsara ny tenin-dRajaonarimampianina izay nilaza firenena potika no noraisiny. Tsy nisy ny fandrosoana ara-toekarena na teo aza ireo nambara fa asa vita. Toy izany koa ny teo amin’ny lafiny sosialy izay nampahory vahoaka ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy tokony ho hadinoina velively, fa ny olon-dRajoelina izay napetrany hitantana ny tanànan’Antananarivo tao anaty tetezamita no anisany nampiakatra ny vidim-piainana teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy azo adinoina fa Rajoelina sy ny Pds-n’Antananarivo napetrany no nifanaraka tamin’ny mpitatitra tamin’ny fampiakarana ny saran-dalana, ka nampihitsoka ny fiainam-bahoaka tao anaty fahantrana bebe kokoa. Niaraha-nahalala, fa niha-mafy ny fiainana teto an-drenivohitra hatramin’ny niafaran’ny andron’ny tetezamita sy ny tompon’andraikitry ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo napetrany teo. Izany ny olona napetrak’ i Rajoelina teo amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra, dia tsy nahatsara ny fiainam-bahoaka. Mety nisy angamba ny asa vitany teto, fa izany tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fiainam-bahoaka, indrindra tany amin’ny kitapom-bolan’ny isan-tokantranony sy ny ati-vilaniny ary ny eny ambony viliany. Tetsy ankilan’izany rehetra izany, vao mainka nikorosy fahana ny toe-tsaina mitandro ny maha olom-pirenena. Tsy nisy afitsoka tamin’ny vahaolana momba izany izy ireo.

Miseho na miverina indray ity ny fanolorany olona ho kandidà ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra izay lokoina fatratra amin’ny endrika manodoka, ilay politikan’ny seho ivelany fanaony hatramin’izay. Olona izay misafidy ny tenany tsy hijanona ho Malagasy ranoray raha i Naina Andriantsitohaina. Olona izay anisan’ireo mpanefoefo vitsy an’isa tsy miray “lamba” amin’ny valalabemandry miaina lalina ao anaty fahantrana. Mety ho marina mety ho tsia, olom-baovao amin’ny resaka politika angamba, fa tsy olom-baovao amin’ny resaka fangoronan-karena eto amin’ity firenena ity. Ambaran’ireo mpanohana azy rahateo ny amin’ny fananany orinasa marorantsana eto. Inona no fiantraikan’izany tamin’ny vahoaka sy ny firenena? Tsy hita be ihany ny amin’izany. Niharihary ihany koa fa ireo vitsy an’isa mpanefoefo, mpangoron-karena eto amin’ny firenena, dia tsy hita mazava izay nifotorany amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ho amin’ny fanondrotana ny fari-piainan’ny vahoaka.

Ny tsapa dia niandry fotsiny ihany izay ho fihetsiky ny fitondrana na niara-nanao salobo-komana taminy no nataon’izy ireo. Misarika ny saina izany hieritreritra fa ho politikan’ny seho ivelany indray no hanaovana angoan-tenda ato ho ato. Politika mamitaka maso fotsiny, fa tsy mitondra soa amin’ny fiainam-bahoaka. Niarahan’ny vahoakan’Antananarivo nahalala izany ary tsy ho sodoka velively izy.