TSY MAHATAITRA NY HIFIDY !

Toa tsy mahataitra intsony izany hoe handeha hifidy,
Na dia eo ny fanentanana hoe izany dia adidy.
Tena tsy mazoto intsony ny vahoaka tato ho ato,
Fa toa fandaniam-potoana izany hoe handatsa-bato.

Ny komitim-pifidianana toa tsy mahafehy ny asany.
Be dia be ny tsy tomombana, raha todihana ny lasany.
Toa fialana bala hatrany ny an’ireo mpikarakara,
Fa tsy iainany mihitsy izany hoe “mangarahara”.

Ireo mpitsara koa, indrisy, ireny ve no ho modely?
Izy indray no toa fikìtra lasa tia mampiady angely!
Misy ve ny fahafahany, feno ve ny fahefàny,
Fa toa ny fitanilàny no mibaribary hatrany!

Ny mpitondra moa dia efa tsy tenenina intsony:
(Ganagana milomano ka manao ny sitrapony !)
Tena tsisy fiovana mety mbola andrasana aminy,
Fa dia tena hoe poakaty ny asa sy ny rindran-daminy!

… Fa ny vokany no lalina, mampisento, mampitsetra:
Sady tena tsy marisika no tsy faly ny rehetra.
Ny antony dia tsotra ihany: very ny fahamarinana,
Fa ny fifidianana eto, anjakan’ny hamaizinana !

DADAN’i ZINA (13-09-19)