Fifidianana kaominaly – Rafipitsarana misahana ny voka-pifidianana

Araka ny didy aman-dalàna manan-kery dia ny Fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny Fanjakana (juridiction administrative) izay hahitana ny tribunaux administratifs miisa enina manerana ny Faritany sy ny conseil d’État no sampan-pitsarana mahefa misahana ny raharaham-pifidianana kaominaly.

Ny tribunaux administratifs no Rafipitsarana ambaratonga voalohany mamoaka ny vokapifidianana ofisialy aorian’ny famoahan’ny CENI ny vokatra vonjimaika, ary mitsara ireo fitoriana rehetra momba ny fifanolanana ara-pifidianana kaominaly.

Ny Filankevimpanjakana ( Conseil d’État) kosa no ambaratongam-pitsarana misahana ny fitoriana fandravana (recours en cassation) ny didimpitsarana avoakan’ny tribunaux administratifs momba ny fifidianana kaominaly.

Marihana fa ny HCC no mahefa mitsara ny fifidianana Filohampirenena, fitsapakevibahoaka, fifidianana solombavambahoaka sy loholona.

FB Rakoto Tatou