Fiakaran’ny vidin’entana – Ahiana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy hoy Rabetsara Lita

Niakatra tampoka ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, talohan’ny fahatongavan’ny Papa François teto Madagasikara ny herinandro lasa teo. Nanararaotra nampiakatra an’izany avokoa, na ireo mpivarotra na ny mpambongadiny satria mbola variana tamin’ny fiomanana sy ny fandraisana an’ity Lehiben’ny Fiangonana Katolika ity, na ny Mpitondra Fanjakana, na ny Mpitondra fivavahana, na ny vahoaka tsy mandady harona.

Dieny mbola tsy lasa lavitra ny raharaha tokony hanara-maso haingana an’ ireo entana mitoby « stock » any amin’ireo mpambongadiny ny Ministeran’ny Varotra sy ny Asa tanana hoy i Andriamatoa Rabetsaralita mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Nanamafy ity farany fa miaraka mampiakatra vidin’entana avokoa ireo mpambogadiny ireo rehefa misy trangan-javatra miseho na misy tsaho miely.

Tokony ho jeren’ny fitondram-panjakana ihany koa hoy ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity ny fitobakin’ny entana avy any ivelany, ka ny fametrahana tataon-ketra na « taxe additionelle » ho an’ireo entana ampidirin’ny mpanafatra entana, mba hitovy tantana ny fifaninanana ara-barotra eo amin’ny vokatra Indostria Malagasy eto an-toerana sy ny Orin’asa vahiny no tanjona.

Anjara asan’ny fanjakana hoy i Rabetsaralita no mijery akaiky ny fivoaran’ny vidin’entana ary mandray fepetra haingana mifanaraka amin’izany, mba hialana amin’ny fipoahana ara-tsosialy satria efa fadiranovana amin’ny fiatrehana ny fiainana andavandro ny vahoaka.

Franck Razakambelo