11 septambra 2001, nisy foana ny fampihorohoroana

Ny Valosoa

Feno 18 taona katroka omaly ny herisetra sy fampihorohoroana nitranga tany Etazonia, ny 11 Septambra 2001, kapoka mahamay ho an’ny Amerikana, satria Etazonia dia tsy voakitika tamin’ny ady lehibe anankiroa: 1914-1918 sy 1939-1945, nisy ny fiaramanidina nidona tamin’ireo toerana malaza amerikana dia ny « Pentagone »: ministeran’ny fiarovana amerikana sy ny «  World  Trade Center », ilay tranokambana ahitana  tranombarotra goavana; nahatratra 2996 ireo namoy ny ainy, ka 19 mpampihorohoro, 2977 ireo tsy manan-tsiny, nahatratra 6291 ireo naratra. Namoaka fanambarana ny Filoha amerikana tamin’izany fotoana, George Walker Bush, hoe raikitra ny ady hamongorana ny fampihorohoroana, ny mpampihorohoro rahateo tsy niafina f’efa nitonona dia ry zareo Al Qaida notarihin’i Ben Laden.

Tsy ny tany  Etazonia ihany no nandraisan’ny fitondrana amerikana fepetra, fa manerana ny firenen-drehetra, izay misy teratany amerikana, isika teto Antananarivo samy nahatsiaro ny fisavana hentitra teny Amparibe satria mbola tao Ambohidahy ny Foibe ara-tsaina amerikana tamin’ireny fotoana ireny, sy ny teny Antsahavola nisy ny masoivoho amerikana. Ny Filoha Didier Ratsiraka, tamin’izany nampiantso mpanao gazety niresaka nandritran’ny valandresaka momba ny fampihorohoroana, mbola tsy hadino hatramin’izao ilay fehezanteny nambarany nanao hoe : « I don’t understand ».

Fa ny teto amintsika koa nisy foana ny fampihorohoroana, vokatrin’ny fahombiazan’ny Filoha Ravalomanana tamin’ny fifidianana dia nisy ny sakana natao tany amin’ny lalampirenena faharoa, sy tany Ambilomagôdra tany avaratra, ary ny tena loza dia ny fanapoahana ny tetezan’i Fatihita, ny sakana tao Brickaville. Izay ny tamin’ny taona 2002 fa tamin’ny taona 2009, tsy mbola maty ao an-tsaina ny zava-niseho tamin’ny 26 Janoary 2009 nandorana ny haino amanjerim-pirenena, ireo fananan’olon-tsotra nirehitra teny Anosipatrana, Behoririka, Ankorondrano, sns… Ny filoha Andry Rajoelina ankehitriny no nitarika iny fanonganam-panjakana iny, izay asam-pampihorohoroana ihany koa. Ny 7 Febroary 2009, nampivarahontsana ny faty olona teny Antaninarenina, ireo izay nohadihadiana teny amin’ny fitsarana dia samy nanambara fa voatifitra avy any aoriana avokoa, ny dikan’izany tsy avy ao Ambohitsorohitra no niainga ny fitifirana, tsy mbola nifarana ny fampihorohoana arak’ireny zava-nitranga tany Mahabo ireny, tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa, izay namonoana ny delegen’ny Filoha Ravalomanana tany an-toerana.

Ny zavatra azo ambara, mpitondra mpanongam-panjakana, mpampihorohoro no tonga eo amin’ny fitondrana ankehitriny, ka tsy mahagaga raha tsy mikoriana ny vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany.