EDITO 5 Septambra – Fahavitan-tena ara-tsakafo hono e – Mpitari-bato vilam-bava ny filoha Rajoelina

Fahavitan-tena ara-tsakafo, izany indray no noventesin’Ingahy filoha Andry Rajoelina tamin’ny fandalovany tany Japana farany teo, ireo mpanao ny seraserany moa dia sahy nilaza fa sambany hono vao nisy filoha sahy nanao fanamby an’izany.

Asa na inona ny azy ireny no mijery na very tadimpoitra, ka tsy mahatsiaro, fa ny Filoha Ratsiraka no namoaka voalohany io resaka io nilaza fa izay firenena afaka mamelona ny mponina ao aminy ary manana ambim-bava aondrana any ivelany no firenena matanjaka hoy izy tamin’ny taona 2000. Ary tamin’ny Repoblika voalohany dia efa nisy ny politikan’ny kibo.

Fa tamin’ny Fitondran’ny Filoha Ravalomanana no nisongadina ny ezaka momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Maro ny fepetra noraisina nampahombiazana izany, toy ny fanampiana ny tantsaha tamin’ny alalan’ny PSDR izay namatsy ny tantsaha ara-bola sy ara-pitaovana: toy ny zezika sy masomboly, nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny fanjakana tamin’ny fividianana ny vokatry ny tantsaha tamin’ny vidiny ara-dalàna, izay nahafay ireo mpijirika mpanararaotra ny tantsaha ary tsy azo adinoina ny fanamboaran-dalana nataon’ny fitondrana izay nanamora ny fivezivezen’ny vokatra ary ny tena zava-dehibe dia ilay “vitrine” lehibe izay nanentanana ny tantsaha havitrika, ary nisy koa ny fandaminana hentitra momba ny resaka fananantany nitsinjovana ireo tantsaha, fiaraha-miasa tamin’ny Amerikana tamin’ny MCA: Millenium Challenge Account.

Fa ny fitondrana ankehitriny dia “mapme” be araka ny fitenin-jatovo, satria ny vahoaka anie mahatadidy ny fitaka nambara teny amin’ny 13 Mey tamin’ny 2009, mikasika ny vidimbary sy ny menaka, ny famonoambalala izay nataon’ny fitondrana Ravalomanana ho laharampahamehana dia nataon’ny fitondrana tetezamita alasafay, gaboraraka ihany koa ny fanomezana tany hoan’ny vahiny tamin’izany tetezamitan-dRajoelina izany, ny fanamboarandalana vaovao tsy nisy, ny efa vita tsy nisy fikojakojana nataon’ireo mpanongam-panjakana ireo.

Fa ny mahatsikaiky ireo mpitondra ankehitriny, miomana haka ny velarantany tokony ho volen’ny tantsaha hanaovana izany tetikasa Tanamasoandro izany, fihetsika mifanipaka amin’ny resaka fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Araka ny ONN na ny Ofisimpirenena momba ny fanjariantsakafo dia fantatra ankehitriny fa nihena, very sasaka ny tetibolany, ka fampandehanan-draharaha sisa no misy ao, fa tsy misy fiakarakarana tetikasa intsony.

Ny fehin’izay rehetra voalaza izay dia bala rora daholo no nambaran-dRajoelina tany Japana momba ilay fahavitan-tena ara-tsakafo, fa mpitari-bato vilam-bava ity filoha ankehitriny ity, hafa no tondroin’ny tanany, hafa no tondroin’ny vavany.

Ny Valosoa