MBA METEZA RE HIOVA

Mihamazava ankehitriny ny laharam-pahamehana
Sy ny zavatra imasoan’ny ao anaty fitondrana,
Izay tsy inona tsy akory fa ny fomba handentehana
Ireo heveriny ho mpanohitra sy mpitaky fanovana.

Izay miseho mba manakiana dia indreo ampanantsoina
Sy ampangaina fa manely zavatra tsy marim-pototra.
Ireo mitonona ho mpanohitra dia hazaina sy fofoina.
(Ny dahalo anefa maro no afahana sy avotsotra!)

Moa tsy izany no porofo f’ao anaty fitondrana,
Tena misy ny dahalo, saingy tsy mivimbin-tsabatra?
Moa tsy ireny no dahalo tsara alefa am-pigadrana
Fa dahalo tena mihaja ery ambonin`ny latabatra?

… Eny ho avy ny vahiny koa mahaiza re mamindra
Ry mpitondra izay mikendry ny hanatsaratsara endrika.
Aza dia ny toetra ratsy no haseho sy hahindrahindra,
Fa meteza re hiova raha te ho mpitondra mendrika.

DADAN’i ZINA (04-09-19)