Betsaka ireo mpanao gazety niakatra fampanoavana nandritra ny taona 2019

Nifamotoana tetsy amin’ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka etsy Anosy ny mpanao gazety ny alatsinainy teo. Ny fanehoana firaisan-kina eo amin’ny samy mpanao gazety manoloana ny fitoriana nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny foloalin-dahy ny herinandro lasa teo, mikasika ny famoahan’ny tambanzotran-tserasera iray vaovao manodidina ny fipetrahan’ny angidimby tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Naneho ny heviny i Gérard Rakotonirina amin’ny maha olom-pirenena, sy maha-filohan’ny holafitry ny mpanao gazety azy fa tokony hanao fanitsiana (démenti) na famaliana ny olona voakasiky ny vaovao tsy marina alohan’ny handefasana ny raharaha eny amin’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Nanohy nanazava ity farany fa olona tsy afaka mandositra ny mpanao gazety voakasika ny fanadihadiana, ka tokony ho nalefan’ny tompon’andraikitry ny filaminana nody tany antokan-tranony izy ireo niandry ny fampiantsoana azy amin’ny manaraka, fa tsy tokony notazonina tao amin’ny biraon’ny Division de cybercriminalité nandritra ny 48 ora ny mpanao gazetin’ny 24h Mada sy ny talen’ny CUA.

Nilaza ny Filohan’ny OJM (Ordre des Journalistes à Madagascar) fa fanehoan-kevitra amin’ny maha olom-pirenena azy hatrany, fa tsy rariny ny fanatanterahana ny famotorana ny mpanao gazety ataon’ny polisim-pirenena amin’ny andro alahady, raha tsy hoe tena hamehana tokoa izany. Namarana ny fanehoan-keviny i Gérard Rakotonirina fa tamin’ity taona 2019 ity no nahitana mpanao gazety betsaka niakatra fampanoavana raha nampitahaina tamin’ny taona lasa. Raha izao no fandehany dia voatohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Franck Razakambelo