Vatican news – 1 septambra 2019 – Hafatra avy amin’ny Papa François

Ry rahalahy sy anabavy Malagasy,

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia ho eo anilareo aho afaka andro vitsivity. Ankehitriny dia efa te-hametraka fiarahabàna anareo aho ary hanolotra fisaorana noho ny asa fikarakaràna natombokareo sy mbola mitohy izao, ho fanomanana ny fahatongavako hitsidika anareo.

Isaorako indrindra ianareo amin’ny vavaka ataonareo, na samirery izany na eo amin’ny mpianakavy, na eo anivon’ny fikambanana paroasialy, na any amin’ny hopitaly sy toera-pigadràna.

Tsy voafetran’ny elanelan-tany ny vavaka, ka rehefa tonga any Madagasikara aho, na dia hisy aza toerana tsy ho voatsidiko, dia ho tonga eo anivon’ny rehetra aho amin’ny alalan’ny vavaka, ary hangatahaka ny tso-dranon’Andriamanitra ho an’ny rehetra.

Ry namana Malagasy, malaza noho ny hakanton’ny zavaboahary ny tanindrazanareo, ary noho izany dia aoka isika hiteny: “Voninahitra ho an’Andriamanitra”! Andraikitra ho antsika ny miaro izany amin’ny fomba mitandrina. Fa misy zavakanto hafa mbola mamy kokoa eo anatrehan’i Kristy sy ny Papa: dia ny olony, izany hoe ny fahamasinanareo! Izany no hahatongavako, hanavao ny finoanareo, izay ho andraisako herimpanahy.

Hisitraka izany amin’ny alalan’i Masina Maria anie isika!

Misaotra ary veloma tsy ela!

(Lanzelo, dikanteny malalaka)