Fahatongavan’ny Papa François – Fahasoavana ho an’Antananarivo sy Madagasikara

Helisoa

Vonona amin’ny fandraisana ireo vahiny marobe hanatrika ny fotoandehibe rehetra ho tanterahana mandritra ny fivahinian’ny Papa Ray masina ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA).

Ankoatra ireo lamina izay napetraky ny komity mpikarakara sy ny avy amin’ny eglizy katôlika dia miantoka ny fandaminana ny tanàna eo amin’ny lafiny fanadiovana sy ny fandrindrana ny fivezivezena ary ny fampiantranona ireo vahiny ny kaominina.

Nanome toromarika ho an’ireo ireo mpiara-miasa aminy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpanolotsaina manokany Marc Ravalomanana amin’ny fanatanterahana izany tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely amin’ny maha ray amandreny azy ireo. Anjarantsika ny manome fitiavana sy fanetren-tena amin’ny fandraisana ireo vahiny marobe handray an’i Papa eto Antananarivo, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ho tsaroan’izy ireo amin’izany fa hahazo fahasoavana izy ireo mandritra izany.

Efa samy nanao izay anjarany sy izay vitany daholo na ny mpitondra fanjakana na ny kaomina amin’ny fiomanana amin’ny fandraisana ny Papa, na koa ny mpitondra teo aloha izay nanasa ny Papa Ray Masina ho avy aty Madagasikara, hoy ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna Marc Ravalomanana. Koa midika fiombonana izany ary iray ihany ny Malagasy na dia samy manana ny finoany aza. Manentana ny mponin’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, amin’ny fahaizana mandray vahiny, na ny Papa Ray Masina izany na ireo Malagasy havantsika avy any amin’ny faritra. Ny fifanampiana sy ny fanetrentena no zava-dehibe hoy izy, ary fahasoavana daholo izany rehetra izany.

Ankoatra izay, hiasa andro aman’alina ireo mpanadio eny anivon’ny boriboritany enina eto Antananarivo renivohitra. Hampitomboina ireo polisy monisipaly handrindra ny fifamoivozana, hoy ny delegen’ny boriborintany voalohany I, Randriamamonjy Lanto nisolo tena ireo delegen’ny boriborintany enina.