EFA VONONA DAHOLO ?

“Efa vonona daholo”, izay no teny efa naely.
Niedinedina aok’izany tamin’ireny i boaikely.
Kanjo ireny rehetra ireny dia karazam-pafy lainga,
Fa hatreto dia tsy misy tetikasa mba miainga.

“Efa vonona daholo”, izay no teny nanentanana.
Tsisy tsy nandre izany mialoha ny fifidianana.
Tetikasa tena goavana no natao nipoapoaka,
Kanjo voaporofo izao fa famitahana vahoaka.

“Efa vonona daholo sady ho vita ara-potoana.”
Nony injay jerena anefa, toa poakaty, babangoana.
Tranobe mijoalajoala sy tanàna paradisa?
Tsisy fototra miainga fa toa nofinofy sisa!

“Efa vonona daholo”, tsisy tsy nandre izany,
Na ireo saranga ambony na ireo saranga ambany.
Be dia be no efa nihoby sy niventy ny hosana,
Kanjo hay ‘ty lamasinina, maty lava, igagana!

« Efa vonona daholo faza dia mimonomonona ».
Izany sisa ve fialàna ry Tanora Gasy Vonona?
Aza tia mampanantena nofinofy tsy ho tanteraka
Fa hikomy ny vahoaka rehefa tofoka sy reraka.

DADAN’i ZINA (30-08-19)