Antenimierandoholona – Tsy mazava ilay tolo-dalànan’ny mpanohitra avy amin’ny Antenimierampirenena

Loholona miisa 27 amin’ireo Loholona 38 no nanangan-tanana nampihemotra ny fandaniana an’ilay tolo-dalàna mifehy ny antoko mpanohitra natolotry ny Birao maharitra ao amin’ny Antenimierampirenena ny zoma teo, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Antenimierandoholona.

Nilaza ny loholona Rajaonarivelo Pierrot, fa tsy mazava ity tolo-dalàna mifehy ny mpanohitra ity, nanoy nanazava ity farany fa ireo antoko mpanohitra ao anatiny sy ivelan’ny Parlemanta no misafidy ny olona hisolo tena ny vondron’ny fanoherana eny anivon’ny Antenimierampirenena.

Nanamafy ny loholona Rivo Rakotovao fa tsy ampy ny fotoana nandinihana an’ity tolo-dalàna ity satria ny Alakamisy tolakandro no nahavoaray an’ity tolo-dalàna teo amin’ny andrimpanjakana. Nanohy nanazava ity filohan’ny Antenimierandoholona ity fa tokony hifanojo amin’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra ity volavolan-dalàna ity.

Nanizingizina ny loholona Riana Andriamandavy VII fa tokony ho hita soritra amin’ity tolo-dalàna ity ny fanoherana eny anivon’ny Antenimieramdoholona.

Ankoatra izay, nilaza ireo loholona nandray fitenenana fa tokony hisokatra amin’ny lafin-kery rehetra toy ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena sy ny sisa… ny fandrafetana an’ity volavolan-dalàna mifehy ny mpanohitra ity, mba ho marin-toerana ary ahazoana sitraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny.

Mangataka fivoriana tsy ara-potoana faharoa avy amin’ny fitondram-panjakana ny Antenimierandoholona, mba handinihana tsara an’ity tolo-dalàna ity.

Marihina fa loholona miisa 7 amin’ireo loholona 38 no mankasitraka ny fandaniana ny tolo-dalàna mifehy ny mpanohitra, loholona miisa 11 niala tsiny ny amin’ny tsy fanatrehana ny fivoriana ary ny Loholona miisa 13 no tsy tonga nanantrika ny fivoriana.

Franck Razakambelo