EDITO 31 Aogositra – Hiandrandra inona ato anaty efa-bolana hoavy ny vahoaka ?

Sôh’son

Mifarana ity ny volana aogositra izay volana faha-valo amin’ity taona diavina ity. Tsy misy hafa-tsy efa-bolana araka izany sisa dia ho tapitra ny taona.

Hatreto aloha ny zava-misy, tsy mihetsika eny amin’ny seranana na efa nilaza ela fa hanainga ny sambo, ary tsy mbola tafahetsika eo amin’ny lagara ny lamasinina haingam-pandeha, na dia nireondreona nakarenin-tsofina eran’ny tanàna aza ny feon’ny môterany. Tsy maintsy misy akony eo amin’ny fiainan’ny rehetra na ny nambara ho nijanona na ireo mpandeha ao anatiny mantsy ny fiaingàn’izy ireo. Hanantena sy hiandrandra inona ato anaty efa-bolana miditra amin’ny famaranan-taona ny vahoaka Malagasy raha tsy nisy fiovàna ny tao am-bilanin’ny isan-tokantrano tao anaty valo volana? Efa tokony hiaina sy hianoka amin’ny fampiharana ny tetikasa nofaritana na napetraka tany amin’ny telovolana voalohany nandraisana fitondrana ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Ary efa fibanjinana ny taona vaovao ho avy no iompanan’ny adihevitra sy fanapahan-kevitra samihafa horaisina izao, tsy eo amin’ny lafiny tetibolam-panjakana ihany io fa amin’ny sehatra maro samihafa iankinan’ny fiainam-bahoaka koa. Tena fototr’asa lehibe an’ny fitondrana izany.

Matroka ny faravodilanitra ho amin’ny fiainam-bahoaka raha ny tondro samihafa eo amin’ny fafana momba ny fiainam-pirenena maneho ny ho avy ato anatin’ny efa-bolana farany izao. Hatreto anefa zary vôlana an-tenda ihany no ataon’ny fitondrana fa ny fampiharana ny fepetra misy fiantraikany tsara amin’ny firenena mbola tsy hita be ihany. Ny fomba fiasa, ny fihetsika modely miainga avy any amin’ny fitondrana hitaona sy hisarika ny valalabemandry hiray saina handroso dia tsy hita soritra sy toa sarotra antenaina raha ny zava-misy. Hany fara herin’ny vahoaka sisa manamboatra saina ary ahiana izy hanomboka hitadidy sahady ilay fomba fiteny hoe “akoho tsy naneno hoatr’izay…”.

Efa manomboka mipoitra sahady eny am-bavan’ny olom-pirenena eny amin’ny fiainana andavanadro eny mantsy ny fifampanontaniana be ihany ny amin’izay ho fandehan’ny raharaha eto. Fihetsika izay miharo fanahiana io ary midika ho tsy fahatokiana ny fitondrana izany. Rehefa ho tonga amin’ny tena ho toetra raiki-tampisaka izany dia ho sarotra ny raharaha fa tsy maintsy hisy akony ratsy eo amin’ny fiainam-pirenena

Izany toe-javatra izany dia tsy ho voasoroky ny fikarakarana fotoan-dehibe samihafa maharevo vahoaka maro toy izay hiseho afaka andro vitsivitsy mba hanariana dia azy sao ho diso kajy ny fitondrana.