“Return of a president” voafantina hifaninana amin’ny International Film Festival 2019 any Nigeria ny volana oktobra 2019

“Return of a president” dia anisan’ireo horonantsary hifaninana amin’ny International Film Festival 2019 atao any Nigeria ny volana oktobra ho avy izao.

Horonantsary malaza izy io, mahaliana olona maro ary tena manasongadina ny zava-misy marina tamin’ny fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara ny taona 2009 momba ny filoha Marc Ravalomanana, nahatonga ny teo anivon’ny haino aman-jery any ivelany hifantina azy ity ho isan’ny hifaninana amin’ity Festival ity.

Raha fintinina fohy ny tantara dia nijoro hatramin’ny farany teo amin’ny tolona izay nataony ny filohampirenena teo aloha Marc Ravalomanana, na dia teo aza ny fanonganam-panjakana nisy tamin’ny taona 2009. Nihezaka ary nanao izay hafany nanangana ny fireneny teo amin’ny sehatra maro i Marc Ravalomanana tamin’ny fe-potoam-piasana naha-filohampirenena azy. Mampalahelo anefa ny zava-misy fa nanome tsiny azy amin’ny filazàna fa nampifamgaro ny tanjony ara-toe-karena manokana amin’ny fanjakana i Andry Rajoelina ary nitarika ny fanonganam-panjakana. Novakian’ny filoha Marc Ravalomanana bantsilana anefa tao anaty ity horonantsary fa ny resaka momba an’i Frantsa no isan’ny antony nanonganana azy.

Tany afrika atsimo izay naha-sesitany ny filoha Marc Ravalomanana no nanatontosan’ny danoa Lotte Mik-Meyer ny horonantsary, izay maharitra hadiny iray eo.

Teny malagasy

English version