EDITO 29 Aogositra – Fanadinam-panjakana : andrasana izay ho vokatry ny halavan’ny taom-pianarana

Radafy

Manomboka miditra amin’ny fotoam-panadinana ara-panjakana isika ankehitriny ary efa nisantatra izany ny talata lasa teo, ireo mpiadina nanala Cepe. Mbola ho avy kosa ny an’ireo hanala ny fanadinana Bepc sy ny Bakalorea.

Niaraha-nahalala sy nahita tsara fa lava dia lava ny taom-pianarana tamin’ity farany ity. Efa nahatratra 11 volana ary misy aza mbola manohy mianatra ihany, ka ho tonga 12 volana, na herintaona ngarangidiny ny fotoam-pianaran’ny mpianatra ao aminy. Tsy misy afaka handà na iray aza, fa tsy ara-pedagojika izany. Tsy ara-pedagojika raha mihoatra ny 9 volana ny taom-pianarana ho an’ny mpianatra amin’ny ambaratonga ambany. Ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ka hatramin’ireo minisitra sy ny filohan’ny repoblika dia azo inoana fa tsy nianatra 11 volana izany nandritry ny andro nianarany tany amin’ny sekoly ambaratonga ambany.

Ankehitriny anefa tsy nisy niraika, tsy nisy niala tsiny tamin’ireo mpianatra sy ray aman-dreny izy ireo. Tsy manana ny fahaiza-miaina sy mitondra vahoaka amin’ny maha-malagasy ve? Eo aloha izay, fa manomboka izao ihany koa dia andrasana ny vokatr’izay fanaovana “lasibatra” ny zaza Malagasy izay. Ho fotaka sa ho tsara ny voka-panadinana amin’ity taona ity? Ny tsikaritr’ireo mpampianatra sy mpanabe tany an-dakilasy tany, dia matetika no varimbariana, indraindray manao rainazy ny fianarana, misy tena hita ho reraka ireo mpianatra manomana hiatrika fanadinana. Ny mpampianatra ihany koa manomboka ho reraka noho ny halavan’ny andro fampianarana. Misy fiantraikany any amin’ny fomba fampianarana anefa izany. Tsy vahaolana intsony araka izany, fa efa tara loatra, ny fikarakarana hetsika natao teny Antsahamanitra ireny.

Hanao ahoana ny fomba fitsarana fanadinana? Hanao izay hanamboamboarana ny fitsarana sy ny vokatra ve ireo mpampianatra mpitsara sy ireo mpamoaka ny vokatra ofisialy? Sa ny tena fahaizan’ny mpianatra marina nanao ny fanadinana no havoaka eo? Tsy ny eto an-drenivohitra ihany no lazaina amin’izany fa manerana ny Nosy. Ho hita eo ny ho fivoakan’ny voka-panadinana rehetra, ka hahitana ny valin’ny fanontaniana rehetra.