“Ho ampitomboako avo telo heny ny subventions omena ny ben’ny tanàna rehetra” – Fohy tadidy sa mpandainga i Andry Rajoelina?

9 Desambra 2018 – TVM – Andry Rajoelina vs. Marc Ravalomanana (rohy video)

“Izaho dia milaza ny ben’ny tanàna fa ho ampitomboako avo telo heny na efatra heny mivaingana ny “subventions” omena ny ben’ny tanàna rehetra manerana an’i Madagasikara”

Horonantsary – https://youtu.be/vRT5QKpnJ7A

Mbola tsy tanteraka ny fampanantena nataon’ny filohampirenena hampiakatra izany avo telo heny na dia tsy ho tonga avo efatra heny aza.

Marisarisa amin’ny fanampiana ireo kaominina ny fitondram-panjakana. Efa sady kely ilay fanampiana no tsy mbola tonga ara-potoana. Ary mbola safidiana ireo kaominina mahazo voalohany. Efa velombolo ery ireo ben’ny tanàna nahare ity fampanantenana ity.

Na nisy aza ny fanitsiana ny tetibola dia tsy voarakitra tao anaty izany ny fampakarana avo telo na efatra heny ny fanampiana nampanantenaina ny kaominina.

Anefa dia ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny fitondrana mihitsy no mitondra ny fanakianana maivaivay amin’ireo ben’ny tanàna amin’ny asa tsy tanteraka.