Fanovana ny satan’ny fanoherana Tsipahin’ny RMDM hatramin’ny farany

Nolaniana amboletra teny amin’ny antenimieram-pirenena, ilay volavolan-dalàna mifehy ny mpanohitra, raha ny fanazavana azo. Mitsipika marin-drano an’izany atoa Alain Andriamiseza sy pasitera Edouard Tsarahame avy amin’ny vovonana Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM

Araka ny fanazavana voaray, lalàmpanorenana tamin’ny fitondrana tetezamita 2010-2011 no mitondra antsika amin’izao fotoana, hoy izy ireo. Ny 80 isan-jaton’io lalàna io, dia ry zareo nitondra ny tetezamita no namolavola azy. Ny filohan’ny tetezamita, ny kongresin’ny tetezamita na CT ary ny CST na ny mpanolotsaina avon’ny tetezamita no nikaon-doha tamin’io.

Noho izany, mbola tazonin’ny RMDM ny hampiharana ilay lalàna 2011-013 mifehy ny mpanohitra fa tsy io nolaniana teny Tsimbazaza natao amboletra io akory, hoy hatrany ny filoha lefitr’ity rafitra ity. Raha mikasa ny hanova lalàna, maninona no tsy nantsoina ny mpanohitra rehetra fa lalàna hifehy an’ireto farany no nolaniana. Izay no hisian’ny tena demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy tenierana tamin’ny mpanohitra koa ny nandaniana io sata mifehy ny mpanohitra io, raha ny nambaran’izy ireo hatrany.

Sitraka r.