26 Aogositra – Lalana Mahatma sy Indira Gandhi – Fitokanana

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy 26 Aogositra 2019 ny famerenena ny lalana Mahatma Gandhi eo Mahamasina sy ny lalana Indira Gandhi eo Tsaralalàna.

Tonga nitokana izany ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana sy ny ambasadaoro indiana Abhay Kumar.

Ny lalana Mahatma Gandhi dia lalana manodidina eo Mahamasina, izay efa tany amin’ny taona 1960 no nanomezana izay anarana izay. Nisy ny fanavaozana ny lalana toy ny loko sy ny takelaka famantarana, izay fiaraha-miasan’ny CUA sy ny masoivoho indiana.

Ny lalana Indira Gandhi indray dia manomboka eo Tsaralalana manoloana ny Lapan’ny Tanàna mihazo ny foiben’ny masoivoho indiana.

Samy niady ho an’ny fahafahan’ny fireneny avokoa na i Mahatma Gandhi na i Indira Gandhi; toetra izay tsara alaina tahaka hoy i Lalao Ravalomanana. Ny tantaran’izy ireo dia manaporofo fa azo atao tsara ny mampandroso firenena tsy misy herisetra.

Kabary an-tsarin’i Lalao Ravalomanana

Kabary an-tsarin’i Abhay Kumar