EDITO 27 Aogositra – Tsy fahombiazana: manomboka mikoropaka ny fitondrana

Sôh’son

Efa volana maromaro izay no lasa kanefa tsy mahita fiovàna ny olom-pirenena amin’ny fiaimpiainany andavanandro, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra. Mbola ny teo ihany no teo tsy araka ny teny nifanomezana nanaovana kabary angoan-tenda izy ity. Tao anaty fampielezan-kevitra mantsy, raha ny nambaran’ny filoha Andry Rajoelina dia toy ny tsy ampy iray volana akory dia hiova izao tontolo iainan’ny vahoaka Malagasy izao rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy ireo. Hatreto anefa tsy izany no zava-misy.

Manomboka miasa saina ny ampahany amin’ny vahoaka voakasika amin’izay mety hanatanterahana asa, ohatra, toy ny eny amin’ny faritr’i Betsimitatatra iny, fa ho simba ny fiharian-kareny na ny foto-pivelomany nandritry ny taona maro nanomboka hatrany amin’ny razambeny. Toa anaovana ambany maso tsy hita izany fahasahiranan-tsain’ny vahoaka izany ary tsy nasian-teny na kely akory avy amin’ny fitondrana aza. Fomba fiasa ratsy efa nisy teo aloha izany ary mbola ataon’ny tompon’andraikitra eo amin’ny toerana mandraka ankehitriny.

Tsy manana politika matotra amin’ny fitantanana ny fiainam-bahoaka andavanandro ankehitriny ny fitondrana Rajoelina matoa efa ho valo volana izao tsy hita soritra izay fiovam-piainana eto. Efa tsy ahitan-teny firy intsony amin’izao ireo mpanohana nafana fo nanohana izao fitondrana izao, noho izay tsy fisian’ny fiovana eo anivom-piarahamonina sy firenena izay. Toa ny eo ihany no eo, hoy ny rehetra.

Manomboka miakatra ny feo amin’ny tsy fiovam-piainana kanefa ny sondro-bidim-piainana tsy misy fiovana, ary izay no mampikoropaka ny fitondrana. Ny figalabonana amin’ny vola aman-karena misy ho an’ireo mpisehatra rehetra mpitantana ny fitondrana kanefa ny vahoaka miandry fatratra ny akon’ny asa nataony tsy hita soritra. Fihetsiketsehana no betsaka ataon’ireo eo anivon’ny ministera isan-tokony, fa ny akon’izany eny amin’ny ati-vilany sy vilian’ireo fianakaviana isan-tokantrano tsy misy. Mijery sy mandinika izany ny vahoaka ankehitriny ary tsy mahafaly sy tsy manetsika ny fanantenany ny zavatra iainany. Azo anaovana fitsapana na “sondage” tsara izany. Malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona ny zava-misy. Mety hirentirenty ny zava-misy naorina na atao etsy sy eroa, fa ny any am-paosy na ny any an-kitapom-bolan’ny isam-pianakaviana tsy misy fiovàny.

Mampihataka tsimoramora sy miandalana ny fon’ny vahoaka amin’ny fitondrana izany ary izay indrindra no mampikoropaka ny fitondrana. Hahavita inona eo anefa isorohana izany fa tohizo ihany ny kajikajy politika.