EDITO 22 Aogositra – Fifidianana ben’ny tanàna – Tsy matoky ny Ceni ny kandida

Rajo

Ahiana ny fihenan’ny mpifidy amin’ity taona ity na dia efa fantatra aza fa ny 27 Novambra ho avy izao no hanatanterahana izany eto amintsika. Ny 29 Aogositra izao no fanombohan’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana amin’izany. Tsy araky ny efa nampahafantarina toy ny teo aloha ny anto-bola fa midangana, ka ho sahirana ny kandida tsy miankina amin’ny antoko pôlitika.

Ankoatr’izay, dia tsy matoky ny Ceni ihany koa ny mpanao pôlitika sy ny kandida na dia efa mandeha aza ny fampidirana ny anaran’ireo tsy mbola tafiditra anaty lisitra teo aloha. Sarotra ny hifehy sy hahita ny marina raha ny hevitr’ireo mpanao pôlitika ireo, satria mbola ireo mpikambana ao amin’ny Ceni hatrany no mitantana ny fifidianana amin’ity indray mitoraka ity.

Ankoatr’izay ihany koa dia mbola volabe no ho lany amin’ny fampielezan-kevitra nefa tsy ho lany velively eo mihitsy ny tsy miankina, noho ny paipaika sy halabato efa nataony sy hataon’ny CENI. Manahy sahady ireo kandida tsy miankina fa tsy malalaka sy mangarahara ny fifidianana amin’ity fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ity, na dia efa samy manome toky aza ny tompon’andraikitra samihafa, fa ara- dalàna sy mangarahara ny fifidianana hitranga eo.