Baikoin’ny fitondrana ny CENI amin’ny fifidianana ben’ny tanàna

Nandritra ny valandresaka nataon’ny CENI tamin’ny mpanao gazety ny 14 aogositra maraina dia nampahafantariny azy ireo ny volavola izay narosony tamin’ny governemanta, momba ny tetiandro mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina.

Nahafantarana izany fa ny alarobia 27 novambra no daty hiantsoana ny mpifidy. Izany hoe, nahitàna fihemorana roa volana raha ampitahaina amin’ny fotoana efa voafaritra teo aloha, dia ny volana septambra izany. Efa fandikan-dalàna indray izay satria ny lalàna mifehy dia milaza fa tsy tokony ho fotoan’ny rotsak’orana no tokony hanatanterahana fifidianana.

Manaraka izany dia nofaritan’ny filoha lefitry ny CENI nandritra io fihaonana io fa tsy miova ny saran’antoka na caution izay tokony arotsaky ny kandidà ho ben’ny tanàna sy ny lisitry ny mpanotsaina milatsaka. Kinanjo ny harivan’io andro io ihany dia namoaka didim-pitondrana ny governemanta fa ampiakarina avo roa heny ny caution. Ka ho an’ny kaominina sokajy voalohany toy Antananarivo Renivohitra ohatra, raha 5.000.000 ariary no napetraka tany am-boalohany, dia lasa 10.000.000 ariary no manjary aloan’ireo kandidà ho ben’ny tanàna sy ny lisitra mpanolotsaina milatsaka. Niakatra avo roa heny daholo koa ny caution ho an’ny kaominina sokajy hafa rehetra.

Momba ny tetibola famatsiana fifidianana koa dia mbola tantara. Tao anaty ny fifidianana roa nifandimby dia mbola namatsy vola namatsy vola hanatanterahana izany ireo vondrona iraisam-pirenena maro. Nialàn’izy ireo anefa izany tamin’ity indray nitoraka ity. Noraisin’ny fitondrana tanteraka araka izany ny famatsiana ny vola hanatanterahana ny fifidianana ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina. Saingy ny mahagaga dia tsy voafaritra ao anaty tetibolam-panjakana ny vola hikarakaràna izany.

Dia nihena ihany koa io tetibola io raha hoarina amin’ny fifidianana roa nifandimby. Ny vola eritreretina ampiasaina dia manodidina 30 lavitrisa ariary. Raha ny fifidianana solombavambahoaka dia nandaniana 40 lavitra ariary (32 avy amin’ny fanjakana ary 8 avy any ivelany). Nahitàna fihenàna betsaka ny tetibola ampiasaina amin’ity fifidianana ity raha hoarina amin’ny fifidianana roa nifandimby. Vokatr’izay dia tsy hisitraka fiofanana ireo rantsamangaikan’ny CENI hiasa eo anivon’ny birao fandatsahambato noho ny tsy fisian’ny vola entina ampiofanana azy ireo.

Nahariharin’ny mpitondra fa izy no masi-mandidy amin’ny fikarakaràna ny fifidianana, satria tsy ampy iray andro akory dia niova ny mari-bola. Tsy misy fangaraharàna ny fitantanam-bola. Miteraka ahiahy ho an’ny olompirenena ny tranga toy izao. Heverina fa misy kajikajy politika indray ny fikarakaràna ity fifidianana ity, ary tsy azo atokisana intsony ny CENI.