NY MPITONDRA SY NY SEHA-PANABEAZANA

Nahena indray ny tetibola ho an’ny seha-panabeazana
Fa tsy dia mitondra soa ho anao mpivaro-tanindrazana?
Ny anareo mpitondra hatrany no ezahina hatevenina?
Fantatray vahoaka izany na inianareo hafenina!

Nahena indray ny tetibola ho an’ny seha-panabeazana?
Dia inoy, vao mainka hitombo ireo karazam-pahavoazana.
Tsy ranitina ny saina ka vao mainka hihadombo.
Tsy hilamina ny tany, ny mpangalatra hitombo!

Nahena indray ny tetibola ho an’ny seha-panabeazana?
Toa natao an-tsokosoko nefa be no mahatazana.
Lany henatra ary ve sa efa tena tapi-dalana
Ianareo mpitondra ireo fa efa hita ho mamalana!

Nahena indray ny tetibola ho an’ny seha-panabeazana?
Tombontsoanareo mpitondra ihany ve no hotopazana?
Dia ahoana ireo tanora sy ny zaza Malagasy?
Tsy maninona raha bado tsy mahay izay taratasy?

DADAN’i ZINA (18-08-19)