27 novambra 2019 – Fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina – Ezaka hosoka sy halabato faobe farany handraisan’ny CENI ankehitriny anjara?

Namolavola tetiandro vaovao ny CENI hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna ny Alarobia 14 aogositra araka ny fangatahan’ny governemanta izay voarain’ny andro omalin’io. Andro Alarobia 27 novambra no daty naroson’ny CENI ny governemanta hanaovana ny fifidianana, izay tokony handraisan’ity farany didim-panjakana hiantso ny mpifidy.

Fandaharam-potoana aroson’ny CENI
22-08-2019 – misokatra ny fisoratana anarana filatsahan-ko fidiana ametrahana ny antontan-taratasy any amin’ny rantsa-magaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika
05-09-2019 – mifarana ny fisoratana anarana
17-09-2019 – mamoaka ny lisitra ofisialy ny CENI milaza ireo kandidà milatsaka ho fidiana
06-11-2019 – misokatra ny fampielezan-kevitra
26-11-2019 – mifarana ny fampielezan-kevitra
14-01-2020: mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny fitsaràna eny anivon’ny faritany

Tsy hisy ny fanavaozana manokana ny lisi-pifidianana, tsy hisy ny fanesorana. Efa tonga eny amin’ireo 92% fokontany ny lisitr’ireo olona tsy nahita ny anarany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka kanefa voasoratra tamin’ny fifidianana filohampirenena. Anjaran’ny tsirairay ny manamarina izany. Ny maty izay efa voasoratra teo aloha kosa dia mbola afaka hifidy.

Tsy mbola fantatra mazava ny tetibola ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, izay ny fanjakana malagasy no miantoka ny 100%-n’ny fandaniana mikasika ny fifidianana.

Tsy miova ny saran’antoka na “caution” izay tokony arotsaky ny kandidà sy ny lisitry ny mpanotsaina milatsaka:

Kaominina Antananarivo Renivohitra
Ben’ny tanàna : 5.000.000 ariary
Lisitra mpanolotsaina: 5.000.000 ariary

Kaominina Ambonivohitra sokajy voalohany
Ben’ny tanàna : 2.500.000 tapitrisa ariary
Lisitra mpanolotsaina: 2.500.000 tapitrisa ariary

Kaominina Ambanivohitra (mpanolotsaina fito)
Ben’ny tanàna : 350.000 tapitrisa ariary
Lisitra mpanolotsaina: 350.000 ariary

Kaominina Ambanivohitra (mpanolotsaina dimy)
Ben’ny tanàna : 300.000 tapitrisa ariary
Lisitra mpanolotsaina: 300.000 ariary

Tsy mahaleo tena ny CENI fa ny fanjakana ihany no mibaiko ity vaomiera ity. Fanitsakitsahana ny lalampanorenana indray izao fanatanterahana fifidianana mandritra ny fotoan’ny latsakorana izao. Raha etsy andaniny ny CENI dia tsy mahafehy ny asany, etsy ankilany koa dia miezaka manakorontana ny Malagasy ny fitondrana izay tarihan’i Andry Rajoelina. Azo itsahana ny lalampanorenana rehefa tapaky ny fitondràna fa atao mandritra ny fotoam-pahavaratra ny fifidianana, fa tsy azo ovaina kosa ny lisi-pifidianana izay tsy fehezin’ny lalampanorenana, rehefa tsy ankatoaviny izany.