EDITO 20 Aogositra – Fampidirana mpianatra – Tsy voavahan’ny fitondrana ny olan’ny ray aman-dreny

Sôh’son

Ao anaty fotoan-tsarotra sy olana manahirana ireo ray aman-dreny mampiana-janaka amin’izao fotoana izao. Voakasika izany avokoa na ireo mampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakana, na ireo miahy tena. Tsy inona izany fa ny fandoavam-bola mialoha ho amin’ny fisoratana anarana raha mbola hianatra ao amin’ilay sekoly ihany amin’ny taom-pianarana vaovao. Ny any amin’ny tsy miankina dia efa tsy hay lazaina intsony ny fanerena an-kolaka ny ray aman-dreny mba handoa ny vola mialoha ho amin’izany sy ireo pitsompitsony samihafa takian’ny sekoly hiatrehana ny fotoam-pidirana. Etsy ankilan’izany ihany koa anefa dia mandoa vola ny any amin’ny sekolim-panjakana ary tsy vola kely izay aloa any amin’ny banky.

Eo indrindra no olana ho an’ireo ray aman-dreny satria tsy nisy fotoana firy akory nahafahana naka bahana amin’izany, fa iaraha-mahita tsara ny hateren’ny fotoam-pialantsasatra tamin’izao taom-pianarana tsy mbola mifarana izao. Tsy nahazo fialan-tsasatra firy ny mpianatra rehefa avy nianatra 11 volana be izao, izay tsy ara-pedagojika; ny ray aman-dreny koa sahirana tanteraka satria raha mbola mianatra ny ankizy dia midika vola mivoaka hatrany izany, hany ka tsy afaka manangonangona kely izay mba azo atao. Ka amin’izao fotoana izao dia sahiran-tsaina tanteraka ireo ray aman-dreny ho amin’ny fitadiavana vola hahafahana mampiditra an-tsekoly ny zanaka tsy hisy olana.

Manoloana izany, ny fitondrana dia tsy nahenoina mihitsy izay vahaolana ho fanohanana ireo ray aman-dreny rehetra mampiana-janaka eto amin’ny firenena. MIseho ho mahalala ny manjo ny vahoaka izy kanefa tsy hita izay vahaolana. Ny fampanantenana sy tetik’asa na tanjona anefa mipoapoaka ery natao. Nisehoana fa hilamina ny fianaran’ny zaza Malagasy ary hahavita ny fianarany izy ireo. Efa fahasahiranana anefa ny fitadiavana vola ao anaty fe-potoana voafetra sy haterina haloa any amin’ny banky. Tsy hisy na iray aza hilaza amin’ireo ray aman-dreny na ireo mandoa vola eny amin’ny banky momba ny fampidirana mpianatra, fa hahafinaritra ny manao izany ary milamina tokoa izy ireo.

Mazava loatra fa olana izany ary tsy voavahan’ny fitondrana ankehitriny izay miseho ho babany amin’ny fahaiza-mitondra firenena miohatra amin’ireo teo alohany. Ho marina hatrany araka izany ilay fiteny hoe “ny tranom-pody no vitan’ny vava”.