“Raha manaiky ianao [Marc Ravalomanana] dia ho atao modely Madagasikara amin’ny fametrahana marina ny demokrasia aty Afrika”, hoy ny Union Européenne

Tatitra nataon’i Marc Ravalomanana rehefa tafaverina avy amin’ny tsidika tany Eoraopa ny volana Jolay 2019

Nanana fivoriana aho niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Union Européenne.

Tao izahay no niresaka hoe hazavao tsara ny hevitra hifanarahana. Dia hoy aho hoe, izahay rehefa niresaka tamin’ireo masoivohonareo tao Madagasikara, rehefa mahita ny fandehan-javatra sy ny fitantanana ny firenena, dia ilaina dia ilaina ny fisian’ny ‘opposition’ hoatrany aty amin’ny tany mandroso aty Eoraopa.

Marc Ravalomanana
African Leadership Magazine
ALM Person of the Year 2017
Political Leadership

Dia nentina ihany ny resaka. Dia azony tsara koa ary nilaza izy hoe fantatray koa tamin’ny 2017 fa ianao no nahazo voalohany tamin’ny leadership politika aty Afrika. Ka raha manaiky ianao dia ho atao modely Madagasikara amin’ny fametrahana marina ny demokrasia aty afrika.

Dia tsy nisalasala aho nilaza hoe raha misy ny fanampianareo eo amin’ny ara-pitaovana, eo amin’ny fampihofanana dia tena mety izany. Ny afrikanina mora ahitsy, mora atoro fa mila mifanandrify tsara ny zavatra atao hoe izahay afrikanina, ianareo eoraopeanina.

Dia ho raikitra izany fa aty Madagasikara no ametrahan’ny Union Européenne sy ireo firenena matanjaka ireo hanao modely ametrahana demokrasia ka izaho Marc Ravalomanana no ho filohan’ilay antoko mpanohitra, ary manohitra amin’ny fomba mihaja, manaraka tsara ny lalàna, ‘constructive’ no filazàna azy, ary mihevitra izay hahasoa ny firenena. Tsy mihevitra izay handrodanana ny fitondrana fa mihevitra izay hanitsiana azy ireo sy ilazana azy ireo fa fantatray daholo ny zavatra miseho.