EDITO 8 Aogositra – Tsy mbola mivaha ny olana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra

Sôh’son

Miditra amin’ny volana fahavalo amin’ity taona iaraha-mandia ity isika ankehitriny. Tsy mbola mivaha ny olana amin’ny fahatapatapahan-jiro isan’andro. Na fahatapahana tsotra (coupure) na amin’ny fahatapahana delestazy dia mitovy ihany io ho an’ny vahoaka mpanjifa.

Mbola mitohy ny fahatapahana herin’aratra eto amintsika ary tsy mbola mivaha tanteraka ny olana na eo aza ny lazaina ho ezaka ataon’ny fitondrana. Io toe-javatra io anefa no nanakianana mafy ny fitondrana teo aloha: fitondrana an-dRajaonarimampianina. Nanakiana mafy izany ny ankamaroan’ireo olona tomponandraikitra eo anivon’ny fitondrana ankehitriny ary niseho hamaha izany nony tonga teo amin’ny toerana kanefa mbola tsy tafavoaka ny ala hatramin’izao. Manimba zavatra fampiasa ao an-tokantrano na any amin’ny toeram-piasana, na amin’ny toeran-kafa samihafa ny fahatapatahan’ny jiro, na ny herin’aratra lava izao ary manohintohina ny fiharian’ny maro. Tsy nisy akory anefa izay fialan-tsiny nataon’ny tomponandraikitra teo anivon’ny orinasa Jirama, na ihany koa teo amin’ny fitondrana tamin’ny mpanjifa tamin’izany trangan-javatra izany. Izany hoe, ny omaly tsy miova aloha no misy hatreto eo amin’ny fiainam-pirenena eo amin’io lafiny io.

Ny manafintohina ny mpanjifa indrindra matetika, ankoatran’ny any amin’ny toeram-piasana, dia amin’ny fotoana tena ilany azy no mitranga ny fahatapahana, toy ny andro sabotsy tolakandro sy hariva, na ao anatin’ny alahady tontolo andro. Ho an’ny any amin’ny faritra sasany, dia miverimberina ny fahatapatahana ao anaty fotoana fohy, misy tsy ampy dimy minitra akory, ary mety hanimba zavatra betsaka anefa ny vokatr’izany.

Lany andro manao kajy politika ve ny fitondrana Rajoelina, ka tsy mahavaha ao anaty fotoana fohy ny olam-bahoaka amin’ny fiainany andavanandro? Iaraha-mahalala ihany ny fifidianana notanterahina izay sy ny mbola ho avy, ary niaraha-nahita ny fihetsiky ny fitondrana tao anatin’izany. Ny hamaha ny olam-piainan’ny vahoaka anefa no nanaovana angoan-tenda mafy tao anaty propagandy sy rehefa niakatra teo amin’ny fitondrana sy nahazo toerana. Efa miditra amin’ny fahavalon’ny volana izao isika, volan-kankafotra ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Sao mbola ny zava-nisy tamin’ny tetezamita ihany ity miverina ity fa saingy miova endrika fotsiny?