RY OLOM-BOATENDRY, RY OLOM-BOAFIDY.

Ry olom-boatendry, ry olom-boafidy
Mitoetra amin’ny avo ka dia mihalangalana,
Moa tsy iainanareo ny mangidy
Mahazo ny avoko sy ny ahipalana?

Izay fangatahana sy fitakiana,
Tsy maika ianareo ny handinika ireny?
Ny seza efa azo k’aleo dia odiana
Manao tazan-davitra sy tsy miteny?

Miletra, mitavana, mihinana hatrany
No hany mba tanjona tena imasoana?
Ny biby aza anie mba mahay an’izany
Ka sao lany andro amin’ny zava-poana.

Tsy hoe tonga ho azy ianareo fa nantsoina,
(F’izay ilay voafidy na koa notendrena).
Nanaiky ianareo fa tsy hoe hotompoina,
Koa ‘ndeha re esory ny fitiavantena.

Fa hafa dia hafa izany olom-boafidy,
Mamela ny maminy toy ny tantely.
Ny lazan’ireny tsy ho very tadidy,
Fa mbola hotsarovan’ny be sy ny kely.

SEDERA RAVALISON (04-08-19)