EDITO 6 Aogositra – Fitondràna Rajoelina – Lohalarahana amin’ny fikafika maloto

Helisoa

Mitady hevitra hatrany ny fitondràna TGV, tarihin’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny tsy hanomezana vahana ireo olona izay tsy mitovy firehan-kevitra politika aminy. Tadiavina amin’izany ny fomba rehetra tsy ahafahan’ny mpifanandrina politika hitondra vina hampandrosoana ny firenena satria mahana tamin’ny zavatra natao teto amin’ny firenena nandritra ny fanonganam-panjakàna tamin’ny taona 2009, izay nampitondra faisana Malagasy marobe tamin’izany izy.

Tadiavin’ity fitondràna ity ho gejaina ho azy samy irery ny mpitondra hitantana eto manomboka any amin’ny farany ambany ka hatrany ambony izay efa midika avy hatrany, fa hanao didy jadona izy amin’izany hitazonany ny fahefana toy ny Sefo fokontany, ben’ny tanàna, lehiben’ny faritra, ny governora izay tadiavin’i Andry Rajoelina hapetraka ato ho ato.

Namoaka tetiandrom-pifidianana ny CENI amin’ny hanaovana ny fifidianana kaominaly amin’ny 28 oktobra ho avy izao, efa tokony hisokatra ny fisoratana anarana ny faramparan’ny volana jolay teo. Tsy nasian’ny governemanta sira araka ny fitenin’ny tanora azy anefa io tetiandro io satria tsy novaliana akory satria tsy nisy ny didy nampiantso ny vahoaka hifidy 3 volana mialohan’ny fifidianana navoakan’izy ireo hatramin’izao, nilaozan’ny governemanta nanao vakansy aloha ny raharaham-pirenena ary mbola misy ao anatin’izany fotoam-pialan-tsasatra izany izy ireo amin’izao fotoana.

Misy paipaika maloto matoa mbola mampitarazoka io fifidianana io ny fanjakana Rajoelina. Eo ny famerenana ny fandinihan’ny solombavambahoaka sy ny loholona ny lalàna mifehy ny mpanohitra izay mbola tsy nampiasaina akory. Dia ho hita eo fa dia miandry hatrany ny vahoaka satria tsy adala akory izy ireo, ka tsy hahafantatra ny paipaika maloto atao eto amin’ny firenena, ataon-dRajoelina sy ny forongony hatramin’ny fotoanan’ny tetezamita nanonganany fanjakana mandraka ankehitriny.